About
this translation
Mitandrema
tsara, tandremo ny hivelomanareo ny fiainanareo amin'ny "sakafo"
araka ny fivavahana 1.
Download
The Words
to your computer
Efa
hadinonareo marina tokoa ny mofo dimy izay namahanana olona dimy
arivo sy ireo sisa ambiny roa ambin'ny folo sobika, na ny mofo fito
izay namahanana olona efatra arivo ary ilay ambiny tavela. Nefa
tsy miresaka ny amin'ny sakafo eto an-tany aminareo Aho. Tsia, tonga
Aho mba hampitandrina anareo tsy hivelona amin'ny hevitra sy ny
fampianaran-diso ataon'ireo izay mivarotra ny fivavahana.˛
Sasa-poana
ireny olona ireny mivavaka Amiko, mampianatra ho foto-pinoana izay
tsy inona akory fa zavatra noforonin'olombelona ihany. Lany andro
mihitsy izy mifikitra amin'ny finoanoam-poany ka nanadino ny didin'Andriamanitra.3
Tandremo
ny mpampianatra sandoka izay mijoro eo anoloanareo mitafy hodi-janak'ondry.
Nefa ambodia masiaka no miafina ao ambanin'io fiseho mamitaka io.
Manaraka ny tena mpitarika azy dia ny devoly izy, ka manao izay
tiany hatao. Efa mpamono olona hatramin'ny voalohany izy, ary tsy
nilaza ny marina mihitsy, saria tsy misy marina ao aminy. Rehefa
mandainga izy, dia miteny araka ny fombany, satria mpandainga izy,
sady rain'ny lainga.5
Izao
no lazaiko amin'ireny mpisandoka ireny izay manao ny tenany ho mpitsara
anareo : Hotsaraina hianareo, ry mpitarika sy mpampianatra fivavahana
diso, mpihatsaravelatsihy! Mibahana ny varavaran'ny fanjakan'ny
lanitra hianareo, manidy ny lalāna amin' ireo izay maniry ny hiditra
ao marina. Tsy miditra hianareo; nefa bahananareo ny lālana amin'
izay maniry ny hiditra ao. Mangalatra ny mpitondra tena mahantra;
ary avy eo, mba hanafenanareo ny tena hevitrareo marina, dia manao
vavaka lavareny mampiseho fa tia vavaka hianareo. Fanamelohana lehibe
no ho lovanareo.
Mandehandeha
mitety tany sy ranomasina hianareo mba hahazoanareo olona iray babo
amin'ny fampianaranareo; ary rehefa azonareo izany olona izany,
dia ataonareo zanaky ny helo avo roa heny noho hianareo izy.
Hoy
hianareo mitory: "Tsy ny tempoly no zava-dehibe. Ny fitehirizana
ny rakitra soa ny tempoly no zava-dehibe!"
Inona
no lehibe kokoa: ny volamena ao anatin'ny fitehirizana ny rakitra
soa sa ny tempoly izay manamasina ilay volamena?
Ary
hoy hianareo: " Tsy ny alitara no zava-dehibe fa ny fanatitra eo
amboniny no zava-dehibe."
Sady
adala hianareo no jamba. Iza no lehibe kokoa: ny fanatitra eo amin'ny
alitara sa ny alitara izay manamasina ny fanatitra? Na iza na iza
manaja ny alitara dia manaja azy sy ny zavatra rehetra eo amboniny.
Ary na iza na iza manaja ny tempoly dia manaja Ilay mitoetra ao
anatin'ny rindriny. Ary ireo izay manaja ny lanitra dia manaja ny
seza fiandrianan'Andriamanitra, sy Ilay mipetraka eo amboniny. Na
dia ny solila sy ny ahitra maniry eo anoloan'ny tranonareo aza no
ataonareo fanatitra dia asianareo fombafombam-pivavahana. Adinonareo
miaraka amin' izany ny zavatra mavesa-danja kokoa amin' ny lalāna
dia: ny fitsarana, ny famindrampo ary ny finoana , izay tokony ho
heverinareo anefa.
Tsy
mihoatra ny irain-jehy eo anoloan'ny tavanareo ny fijerinareo. Mitatavana
ny lalitra ao anatin'ny divainareo hianareo, kanefa mitelina rameva.
Avy eo diovinareo ny ivelan'ny kaopy sy ny vilianareo, kanefa mijanona
ao anatiny ao ihany ny hatevin'ny fakāna an-keriny sy ny loton'ny
tsy fahononan-tena . Oadray izany fahajambanareo! Diovy aloha ny
loto ao anatiny dia hadio koa ny ao ivelany.
Hianareo
dia mpampianatra sandoka! Tsy tsara nohon'ny fasana milalotra fotsy,
izay miseho ho mahafinaritra ety ivelany kanefa ny ao anatiny feno
fahafatesana sy taolam-paty hianareo amin'ny fihatsaram-belatsihinareo.
Mety manaitra ny olona hianareo amin'ny fampisehoanareo ny fahamarinanareo
ety ivelany nefa ao anatinareo ao dia feno fihatsaram-belatsihy
sy fahotana. Ahoana moa no ahafahanareo hino, ianareo izay velona
amin'ny fideran'ny namanareo anareo ary tsy mba mitady mihitsy ny
fiderana avy amin'Andriamanitra irery ihany?.5
Manorina
tsangam-bato ho an'ny mpaminany hianareo ary mametraka voninkazo
manodididna ny fasan'ny marina, sady miteny hoe: "Raha velona tamin'ny
andron'ny razanay izahay, tsy ho navelanay nalatsaka mihitsy ny
rān'ireo tsy manan-tsiny ".
Mba
mijoroa moa amin'ny tsy fahamarinanareo e! Taranak'ireo izay namono
ny mpaminany hianareo ary ankehitriny aza manoatra lavitra noho
ny nataon'ny razanareo no ataonareo.
Ry
bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana moa no fandositra
ny fanamelohana amin'ny helo? Indro, haniraka mpaminany sy olon-kendry
ary mpampianatra any aminareo Aho: ary ho vonoinareo sy ho omboinareo
ny sasany amin'ireo; ary ny sasany ho kapohinareo sy ho enjehinareo
isan-tanāna.6
Fihatsaram-belatsihy
izany a! Marina mihitsy Isaia raha naminany momba anareo niteny
hoe: "Ity firenena ity manatona Ahy amin'ny vavany sy manaja Ahy
amin'ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy." 7
Manamari-tena
eo anatrehan'ny mpiara-mivavaka aminareo hianareo; fa Andriamanitra
mahalala ny fonareo: fa izay heverin'ny olona ho ambony dia maharikoriko
eo imason'Andriamanitra.8
Mitandrema:
Maro no ho tonga avy any atsinanana sy andrefana, ary hipetraka
miaraka amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ao amin'ny fanjakan'ny
lanitra. Fa ireo izay tokony ho niditra tao amin'ny fanjakana dia
ho roahina any amin'ny maizina any ivelany. Raha tsy mihoatra noho
ny saritsarim-pahamarinan'ireo izay antsoina hoe mpivavaka ny fahamarinanareo,
dia tsy ho tafiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ny tongotrareo.9
ILAY
FAHAZAVANA IZAY NANAZAVA IZAO TONTOLO IZAO
Tonga
Aho mba ho fahazavan' izao tontolo izao, ka izay rehetra mino Ahy
dia tsy mba hitoetra ao amin'ny aizina. Izaho no fahazavana izay
mampahazava izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy, tsy mba handeha
amin'ny aizina, fa hiaina ny fiainany ao amin'ny mazava.
Eto
no mipetraka ilay fitsapana ambony indrindra: fa fahazavana mamirapiratra
sahala amin'izany no tonga teto amin'ity izao tontolo izao maizina
ity. Kanefa tia ny maizina noho ny mazava ny olona eto ambonin'ity
tany ity, satria voatakon'ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena
tafahoatra ny asany. Izao izany no izy, izay manolotra ny fiainany
ho amin'ny ratsy dia mankahala ny fahazavan'ny fahamarinana, matahotra
sao hita miharihary sy hohelohina ny asany ; fa izay manao ny marina
kosa dia manatona ny mazava mba ho hita ny asany, satria ankasitrahan'Andriamanitra
ny asany.2
Taloha
hianareo nivoaka nankany an'efitra hijery ilay mpaminany, Jaona
mpanao Batisa. Nanambara ny marina taminareo izy. Jiro nirehitra
sy fahazavana namirapiratra izy : ary nanaiky hianareo na dia fotoana
kely ihany ny hifaly amin'ny fahazavany. Fa manana fanambarana lehibe
noho i Jaona Aho; ny asa izay nomen'ny Ray hovitaiko, ary ataoko
dia manamarina fa nirahiny Aho.
Raha
tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia azonareo atao ny tsy mino. Nefa
raha manao ny asany Aho, na dia tsy mino Ahy aza hianareo, minoa
ny asa izay ataoko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo fa ny Ray
ato amiko ary Izaho ao Aminy. Tsy maintsy manao ny asan'izay maniraka
Ahy Aho raha mbola atoandro ny andro : satria tonga faingana ny
alina izay tsy ahafahan'ny olona miasa. 3
Ny
maso no jiron'ny tena: raha tsara ny masonareo , dia ho feno hazavana
ny fiainanareo manontolo, fa raha variana amin'ny ratsy ny masonareo,
dia hiparitaka amin'ny ny fiainanareo manontolo ny aizina, ary raha
ny aizina no manazava ny fiainanareo, manao ahoana anie ny habe
sy ny faharatsian'izany aizina izany.4
Tsy
roa ambinifolo ora ve farafahakeliny ny mazava misy amin'ny andro
iray? Raha mandeha amin'ny andro hianareo dia tsy ho tafintohina
noho ny fahazavana voajanahary manodidina anareo. Raha mandeha amin'ny
alina kosa hianareo, dia hianjera satria tsy misy mazava hitarika
anareo. Minoa ny mazava mba hahatonga anareo "zanaky ny mazava."
Mandehana dieny mbola mazava, fa tonga haingana ny maizina. Very
izay mandeha amin'ny maizina. Raha jamba no mitarika jamba dia tsy
maintsy hianjera izy roroa 5
Tsy
mampirehitra labozia hianareo ka avy eo saromana amin'ny fitoeram-boninkazo,
na apetraka ambany fandriana; fa apetrakareo eo ambony fitoeran-dabozia
izy, amin'izay rehefa miditra ao an- tranonareo hianareo na ny vahininareo
dia misy jiro manazava ny lālana ao. Sahala amin'izany koa tsy mampirehitra
labozia hianareo ka mametraka azy ambany harona fa apetrakareo ambony
fitoeran-dabozia mba hanazava ny zava-drehetra ao an-trano. Tsy
azonareo an-tsaina ve fa fahazavan'izao tontolo izao hianareo? Tahaka
ny tanāna naorina eny ambony tendrombohitra hianareo, tsy azo atao
ny mody tsy mahita azy. Aoka ny fahazavanareo hirehitra mazava tsara
eo anatrehan'ny olona rehetra mba hahitany ny asa tsara ataonareo
sy hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra. Fa izay
ataonareo ao amin'ny takona dia aseho miharihary amin'ny farany,
ary izay hoatran'ny miafina dia hahahaka ho hitan'ny lavitra ary
velarina tsara indray andro any. Izay lazaiko aminareo manokana
izao dia ambarao ampahibemaso ary izay renareo nobitsibitsihan'ny
Fanahy taminareo dia kiakiaho eny amin'ny tafon-trano izany.6
NY
FANAMBARANA
Tonga
ny fotoana anehoana sy anomezam-boninahitra ny Zanak'Olona 1.
Tsy
tonga hitady ny voninahitra hoan'ny tenako Aho fa misy Anankiray
izay mikatsaka ny hanandratra Ahy, ary Izy no mpitsara an'ireo izay
rehetra manilikilika Ahy. 2
Voasoratra
ao anatin'ny lalānareo ety an-tany fa marina ny fanambarana mitovy
ataon'ny vavolombelona roa. Arak'izany, manambara ny tenako Aho,
ary ny Ray izay naniraka Ahy koa dia manambara Ahy. Fantatro fa
marina ny fanambarana izay nataony momba Ahy. Noho izany tsy mitady
ny fiantohana avy amin'ny fahefana ety an-tany Aho. 3
Izay
milaza fotsiny ny momba ny heviny dia maka voninahitra ho an'ny
tenany arak'izany. Fa izay miasa ho an'ny voninahitra sy ny haja
ho an'Ilay naniraka Ahy no marina ary tsy misy fitaka ao aminy.
4
Tsy
tonga teo aminareo amin'ny anaran'ny tenako Aho fa kosa nirahin'Ilay
Iray izay fahamarinana. Tsy nidina avy any an-danitra hanao ny sitrapoko
Aho fa ny sitrapon'ny Ray izay naniraka Ahy. Teraka sy tonga ety
an-tany Aho ho amin'izao tanjona izao: mba ho vavolombelona velona
ny amin'ny fahamarinana. Manaraka Ahy ireo izay tia ny fahamarinana.
5
Izaho
sy ny Raiko dia iray ihany. Tonga ety aminareo amin'ny Anarany Aho
mba hanananareo fiainana ary mba hanananareo an'izany mihoatra noho
ny be dia be. 6
Nomena
Ahy ny fahefana rehetra, na ny any an-danitra na ny ety an-tany.
Omeko anareo ny fiainana mandrakizay, ny fanalahidin'ny fanjakan'ny
lanitra ary ny fahefana amin'ny fahefana rehetra ananan'ny fahavalo.
Ka aza avela ho ketraka na hatahotra ny fonareo; ny fiadanako no
omeko anareo, fiadanana mihoatra lavitra ilay fiadanana izay afaka
omen'izao tontolo izao anareo. Ho fantatrareo ny marina, ary ny
marina hanafaka anareo; ary raha ny Zanak'Andriamanitra no hanafaka
anareo, dia ho afaka tokoa hianareo. Lazaiko anareo izany mba hanananareo
finoana mba hinoareo, sy mba hahatonga anareo ho voaova.7
Izao
no sitrapon'ny Ray izay naniraka Ahy: fa izay rehetra mijery ny
Zanaka, sy mino Azy, dia mandray ny fiainana mandrakizay; ary raha
mino Ahy hianareo dia hanangana anareo amin'ny andro farany Aho.
Mino ny Zanak'Andriamanitra ve hianareo? Izy no miteny aminareo
izao.8
NY
TENY VELONA
Ny
Ray Izay naniraka Ahy no nanome fepetra Ahy ny amin' izay tokony
ho lazaiko aminareo. Fantatro fa mitondra ho any amin'ny fiainana
mandrakizay ny teniny; ka na inona na inona asainy lazaiko, dia
lazaiko1
Ireo
teny izay lazaiko dia tsy Ahy fa avy amin'ny Ray izay naniraka Ahy.
Ireo izay mandre ny teny izay lazaiko, ka mino Ilay naniraka Ahy,
dia hanana fiainana mandrakizay; tsy ho helohina izy fa hiala avy
amin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana.2
Henoy
anie e: tonga ny ora, ary efa tonga izany, izay andrenesan'ny maty
ny feon'ny Zanak'Andriamanitra , ary na iza na iza mandre ny feony
dia tsy maintsy ho velona.3
Mikaroka
ny soratra manambara faminaniana tamin'ny andro taloha hianareo
satria maniry fatratra ny hahita fiainana mandrakizay. Manambara
ny Amiko foana izy ireo nandritr'izay fotona izay; kanefa hianareo
misalasala hanatona Ahy mba ahafahanareo mahita ny fiainana izay
tadiavinareo.4
Na
dia tsy miseho aminareo manokana na miteny mazava aminareo aza ny
Ray, dia efa nanambara Ahy Izy. Kanefa amin'ny fandavanareo hino
Ahy , Ilay nirahin'ny Ray ho aty aminareo, dia mamono sofina hianareo
mba tsy hahenonareo ny tena feon'Andriamanitra.5
Ahoana
no ilazan'ny sasany aminareo, mikasika Ilay natokan'ny Ray tena
ho Azy manokana sy nirahiny ho amin'izao tontolo izao, hoe: "Miteny
ratsy Izy satria milaza Izy fa Zanak'Andriamanitra ?" 6
Lazaiko
aminareo izao: Izaho no lalāna, fahamarinana ary fiainana; tsy misy
afaka mahafantatra ny Ray, raha tsy Izaho no manolotra azy Aminy.
Ny Fanahy irery ihany no manome aina. Mandroso amin'ny fahanterana
ny tenanareo izay avy amin'ny tany ary farany lasa osa, fa ny teny
izay lazaiko anareo dia fanahy sy fiainana.7
Tsy
mba mitsara izay mandre izao teny izao kanefa tsy mino Aho; satria
tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy azy. Aoka anefa
hianareo ho ampandrenesina ; ireo izay nandā Ahy sy ny teniko dia
ho tanana ho tompon'andraikitra: ny fahamarinana izay nolazaiko
no hijoro ho mpitsara anareo amin'ny andro farany.8
Marina
tokoa fa ny lanitra izay eo amboninareo, sy ny tany ambany tongotrareo,
dia ho levona indray andro any; fa ny teny izay lazaiko dia tsy
ho levona mandrakizay.9
NY
RAY
Inona
no eritreritrareo ny amin'i Jesosy Kristy? Zanak'iza moa Izy?
Tsy
misy mahalala iza no Zanak'Andriamanitra afa-tsy ny Ray any an-danitra:
ary tsy misy mahalala iza no Ray afa-tsy ny Zanaka; ary ireo izay
ampisehoan'ny Zanaka Azy. Hatramin'izao tsy mbola nahalala Azy hianareo
tahaka ny fahalalako Azy; fa tonga Aho, iraka avy Aminy ho aminareo.2
Miaraka
Amiko eto ankehitriny Ilay naniraka Ahy. Tsy navelany irery Aho,
satria izay mahafinaritra Azy foana no ataoko. Ny tena marina, rehefa
mahita Ahy hianareo dia nahita ny Ray; ka nahoana hianareo no mbola
miteny foana hoe: "Asehoy anay Andriamanitra?". Tsy mino ve hianareo
fa Izaho dia iray sady mitovy amin'ny Ray, ary ny Ray dia iray ary
mitovy amiko?3
Izaho
sy ny Ray dia iray ihany. Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy. Tonga
avy amin'ny Ray ho amin'ity izao tontolo izao ity Aho; hiala amin'ity
izao tontolo izao ity indray Aho ka hiverina ho any amin'ny Raiko.
4
Fa
ny Zanaka tsy afaka manao na inona na inona raha ny tenany irery
ihany, fa izay hitany ataon'ny Ray ihany no ataony. Tian'ny Ray
ny Zanaka, ary nampisehony azy ny fikasany ho an'izao rehetra izao;
ary hanatrika fahagagana lehibe kokoa noho ireo efa hitanareo hianareo.
Tahaka ny nananganan'ny Ray ny maty sy nanomezany fiainana vaovao,
tahak'izany koa ny hanomezan'ny Zanaka fiainana vaovao ho an'izay
tiany homena izany.5
Kanefa
tsy afaka manao na inona na inona Aho raha amin'ny tenako ihany;
mihevitra fotsiny arak'izay itarihan'Andriamanitra Aho; ary tanteraka
ny lālako satria tsy ny sitrapoko no katsahako fa ny sitrapon'ny
Ray izay naniraka Ahy. Tahaka ny ananan'ny Ray fahefana hanome fiainana,
ny Zanaka koa dia manana ny fanomezan'ny fiainana ary nomena ny
fahefana hanatanteraka ny fitsarana satria Izy no ilay Mesia, ilay
Zanak'Olona.6
Efa
nolazaiko anareo hatramin'ny voalohany izany: misy zavatra betsaka
tokoa ao amin'ny fiainanareo izay azoko melohina, kanefa tonga miaraka
amin'ny hafatra hafa Aho nomen'ilay Iray izay fahamarinana ho Ahy.
Izay no hafatra ambarako amin'izao tontolo izao.7
Rehefa
asandratrareo (eo amin'ny hazo fijaliana) ny Zanak'Olona amin'ny
farany, dia ho fantatrareo iza moa Aho ary ho tonga saina hianareo
fa tsy nanao na inona na inona araky ny fikasako sy ny fahefana
ananako Aho fa nampitaiko tany aminareo ny teny izay nasain'ny Ray
ambarako.9
NY
MPIANDRY TSARA
Aza
matahotra ry andian'ondry vitsy, fa fifaliana ho an' ny Rainareo
ny manome anareo ny fanjakana.1
Izaho
no mpiandry tsara. Fantatro ny andian'ondriko ary fantany Aho, tahaka
ny fahalalan'ny Ray Ahy sy ny fahalalako ny Ray. Manaiky hanolotra
ny fiainako ho an' ny ondriko Aho. Fantatry ny ondriko ny feoko.
Fantatro amin'ny anarany ny tsirairay avy amin'izy ireo ary manaraka
Ahy izy. Fiainana mandrakizay no omeko azy. Tsy haringana mihitsy
izy ary tsy misy olona afaka maka azy an-keriny ety an-tanako. Ny
Raiko izay nanome azy ireo Ahy dia lehibe noho ny fanjakana na ny
fahefana na inona na inona izany; ary tsy misy hery afaka manendaka
na dia ny malemy indrindra amin'ny ondriko aza avy eo an-tanany
mahery. Kanefa mbola be dia be ny ondry izay Ahy any ivelan'ny valan'ondry:
tsy maintsy manangona azy rehetra koa Aho. Hifaly koa izy ireo raha
vao maheno ny feoko; ary ho tonga mpikambana amin'ilay vala lehibe
iray, ary mpiandry ondry iray no hiandry azy ireo na alina na andro.˛
Izay
miditra amin'ny varavaran'ny vala dia izy no mpiandry ny ondry.
Vohain'ny mpiandry vavahady ho azy ny varavarana ary mientanentana
ny ondry rehefa mandre ny feony. Antsoiny tsirairay amin'ny anarany
izy ireo ary tarihiny hivoaka ho any amin'ny ahitra maitso. Rehefa
mitarika ny ondriny hivoaka hiraoka ahitra izy dia izy no mandeha
eo alohan'ireo. Manaraka azy ireo, ampaherezin'ny teny izay lazainy.
Tsy hanaraka olon-kafa izy; fa handositra lavitra aza raha mandre
feo hafa fa tsy ilay mahazatra azy.3
Izaho
no mpiandry tsara izay manome ny aiko ho an'ny ondry. Ny olona nokaramaina
dia tsy mpiandry ondry marina. Tsy mikarakara ny ondry tahakan'ny
an'ny tenany izy; ary rehefa hitany manatona ny ambodia dia mandositra
izy ka avelany tsy misy mpiaro eo ny ondry. Samborin'ny ambodia
ireo ary aparitany.4
Izaho
no varavarana miditra any amin'ny valan'ondry. Ireo izay miezaka
hiditra io vala io amin'ny lalan-kafa dia tsy inona akory fa mpangalatra
sy mpandroba. Be dia be ny mpisoloky efa tonga talohako, kanefa
tsy fantatry ny ondry izy ireny na narahiny. Izaho no varavarana.
Midira amin'ity varavarana ity dia hatoky hianareo afaka miditra
sy mivoaka malalaka, ary hahita hanina.5
Asian'ny
fahalovan'ny tsy fahafaham-po, ny fahafatesana ary ny fandravana
ity tany ity; fa tonga Aho hamadika izany fandehan-zavatra mahatsiravina
izany. Tonga Aho mba hahitan'izy ireo ny tena dikan'ny fiainana
marina sy mba hotahiana izy ireo.6
SAKAFO
HO AN'NY FANAHY
Voasoratra
hoe: "Tsy mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan'Andriamanitra." 1
Izaho
no mofon'ny fiainana: raha manatona Ahy hianareo tsy ho noana ara-panahy
intsony indray; ary raha mino Ahy hianareo dia tsy hangetaheta ara-panahy
intsony indray. Mifohaza ary e! Raiso ny mofon'aina izay nidina
avy any an-danitra: raha mihinana ity mofo ity hianareo, dia ho
velona mandrakizay. Ny mofo izay atolotro anareo dia ny aiko, izay
omeko ho fiainan'izao tontolo izao. Izaho no mofon'ny fiainana nidina
avy any an-danitra, mba ahafahanareo mihinana an-kafaliana amin'ny
sakafom-panahy, ary noho izany mandray fiainana ara-panahy fa tsy
maty.˛
Laninareo
daholo ny herinareo amin'ny hanina izay mety simba; fa maninona
raha mikatsaka ny hanina izay haharitra mandrakizay. Ity no hanina
izay iriko omena anareo satria nomen'Andriamanitra Ray Ahy izany
fahefana izany. 3
Efa
renareo ny amin'ny nihinanan'ny razanareo mana tamin'izy ireo tany
an'efitra; fa taloha elabe izany, ary izao efa maty izy ireo. Tsy
afaka nanome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra izay atolotry
ny Raiko anareo i Mosesy. Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay nidina
avy an-danitra ary manome fiainana ho an'izao tontolo izao.4
Raha
azonareo ny fanomezan'Andriamanitra dia nangataka ny hanomezako
anareo rano velona koa hianareo; fa na iza na iza misotro rano tsotra
dia hangetaheta vetivety ihany indray izy, fa na iza na iza misotro
ny rano izay omeko dia hahita fatsakana izay miboiboika avy ao anatiny;
tondraka amin'ny fiainana mandrakizay izy.5
Mangetaheta
ara-panahy ve hianreo? Manatona ary Ahy ka misotroa; fa ireo izay
mino Ahy araka ny voasoratra dia "hisy onin'ny rano velona hiboiboika
avy ao an-kibony." 6
FA
ATAONAREO HO IZA MOA AHO?
Ny Olana
Amin'ny Fivavahana 1. Matio 16:6, 2. Marka 8:18-21, 3. Marka 7:7-9,
4. Matio 7:15; Jaona 8:44, 5. Matio 23:13-28; Jaona 5:44, 6. Matio
23: 29-34, 7. Matio 15:7,8; Isaia 29:13, 8. Lioka 16:15, 9. Matio
8:11,12; 5:20.
Ilay Fahazavana
Izay Nanazava Izao Tontolo Izao. 1. Jaona 12:46; 8:12, 2. Jaona
3:19-21, 3. Jaona 5:33,35,36; 10:37,38; 9:4, 4. Matio 6:22,23, 5.
Jaona 11:9,10; 12:35; Matio 15:14; Jaona 12:36, 6. Lioka 8:16; Matio
5:14,16; Lioka 8:17; Matio 10:27.
Ny Fanambarana
1. Jaona 12:23, 2. Jaona 8:50, 3. Jaona 8:17,18; 5:32,24, 4. Jaona
7:18, 5. Jaona 7:28; 6:38; 18:37, 6. Jaona 10:30; 10:10,9, 7. Jaona
10:28; 14:27; 8:32,36; 15:11, 8. Jaona 6:40; 9:35,37
Ny Teny Velona
1. Jaona 12:49,50, 2. Jaona 14:24; 5:24, 3. Jaona 5:25, 4. Jaona
5:39,40, 5. Jaona 5:37,38, 6. Jaona 10:36, 7. Jaona 14:6; 6:63,
8. Jaona 12:47,48, 9. Matio 24:35
Ny Ray 1.
Matio 22:42, 2. Matio 11:27; Jaona 7:29, 3. Jaona 8:29; 14:9,10,
4. Jaona 10:30; 16:15,28, 5. Jaona 5:19-21, 6. Jaona 5:19,26,27,30,
7. Jaona 8:25,26, 8. Jaona 8:28.
Ny Mpiandry
Tsara 1. Lioka 12:32, 2. Jaona 10:14,15,27-29,16, 3. Jaona 10:2-5,
4. Jaona 10:11,12, 5. Jaona 10:7,1,8,9, 6. Jaona 10:10
Sakafo Ho
An'ny Fanahy 1. Matio 4:4; Deotornomia 8:3, 2. Jaona 6:35,48-51,
3. Jaona 6:27, 4. Jaona 6:49,32,33, 5. Jaona 4:10,13,14, 6. Jaona
7:37,38