NY FANJAKAN'NY LANITRA
Hatramin'ny
andron'i Jaona Mpanao batisa ka mandraka ankehitriny, .dia nandroso amin-kery
ny fanjakan'ny lanitra ary maro be ny isan'ireo izay liana ary namoy fo
nandrombaka ny fahamarinana! 1
Ny fanjakan'ny
lanitra dia tahaka ny tanimbarin'ny mpamboly iray, voavoly varim-bazaha
tsara. Indray alina izay, raha mbola natory ilay mpamboly, tonga ny fahavalony
ka namafy voatsiparifary teo ambonin'ilay varim-bazaha ary nandositra
izy avy eo. Rehefa nitsimoka avy ao anaty tany ny varim-bazaha voalohany,
niara-nitranga taminy koa ny tsiparifary. Tonga teo ny mpanompon' ilay
mpamboly nahita izany ka nalahelo mafy nilaza taminy hoe: " Hono ho ahoTompoko,
tsy voa tsara moa no nafafinay teo amin'ny sahanao? Koa maninona aza no
tena be dia be toa izao ny voatsiparifary ? "
Hoy ilay
Mpamboly hoe: " Tsy maintsy ny fahavalo izay no nanao an'io. "
" Tokony
hiezaka hanala an'ireo ve izahay? " hoy ilay mpanompony. "
Tsia
"hoy ilay mpamboly. " Raha hesorinareo ny tsiparifary dia hesorinareo
miaraka aminy koa ny vary. Avelao aloha hiara-haniry izy roa mandram-pahatongan'ny
fotoam-pijinjana; ary amin'ny fotoam-pijinjana holazaiko amin'ny mpioty
hoe: " Angony aloha ny tsiparifary, ary fatory ho salohiny iray izy hodorana.
Avy eo angony ny vary ho any amin'ny fitoeram-bokatro.
" Ny
Zanak'Olona no mpamafy voa tsara. Izao tontolo izao no saha. Misolo-tena
ny zanaky ny fanjakana ny voa tsara, ary misolo-tena ireo izay voafitak'ilay
ratsy ny tsiparifary. Ny devoly no fahavalo izay namafy ny voatsiparifary.
Ny fotoam-pijinjana no faran'izao tontolo izao ary ny anjely no mpamory
ny vokatra. Ary rehefa voaangona sy voadoro ny tsiparifary, toy izany
koa no hiseho amin'ny faran'izao andro izao. Haniraka ny anjeliny ny Zanak'Olona,
ary hanangona izay zavatra rehetra izay nahatonga ny olona ho tafintohinana
izy ireny, ary ireo izay velona tsy manara-dālana any ivelan'ny fanjakany,
dia halefany sesi-tany any amin'ny fitoerana misy fitomaniana sy fijaliana.
Ary ny marina hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny fanjakan'ny
Rainy. Raha manan-tsofina hihaino ianareo dia henoy izany teny izany.
2
Ho rava
ny fanjakana rehetra izay misaraka hanohitra ny tenany ihany, ary ny tanāna
na trano rehetra izay misaraka hiady an-trano ihany dia hirodana no iafarany.
Tahaka izany koa, raha miady amin'i Satana i Satana,dia misaraka hanohitra
ny tenany ihany izy. Ahoana ary no haharetan'ny fanjakany?
Tsy misy
olona afaka manaisotra avy amin'ny fanjakan'i Satana raha tsy mamatotra
an'i Satana aloha izy. Raha amin'ny fanekena nataoko amin'i Satana no
androahako demonia sy anaovako famantarana sy fahagagana, dia amin'ny
hery inona no anaovan'ny zanakareo an'izany koa? Aoka izy ireo no ho mpitsara
anareo: afaka mamaly izany fanontaniana izany ho anareo izy. Kanefa kosa
raha amin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra no amoahako sy amoahan'ny zanakareo
demonia, dia efa tonga eto aminareo ny fanjakan'Andriamanitra. 3
Mbola
tsy novakianareo tao anaty Soratra Masina angaha ny teny hoe: " Ny vato
izay nolavin'ny mpanao trano, no efa tonga vato fehizoro omem-boninahitra;
ity no nataon'ny Tompo, ka mahafinaritra eo imasontsika! " Indro ny fanjakan'Andriamanitra
dia efa ho esorina aminareo izay mihaino fotsiny nefa tsy manao na inona
na inona, ary nomena ho an'ireo olona izay miasa mba hamoa voa eo amin'ny
fiainany. 4
Tandremo
ny fomba fampiaranareo ity hafatra ity: fa azo avela daholo ny fahotan'ny
olona rehetra miaraka amin' ny fitenenan-dratsy nataony. Fa tsy misy fampihavanana
ho an'ireo izay mahita ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy, miteny
ratsy manohitra ny Fanahy Masina. Fandikana ny lalāna mandrakizay izany.
Tandremo izao teny izao: fa ny olona ratsy fanahy sy ny mpivaro-tena hiditra
hialoha anareo any amin'ny fanjakan'ny lanitra. Nandre ny antso ho amin'ny
fiainana izy ireo ka niverina tamin'Andriamanitra. Ireo olona mpivavaka
amin'ny andaniny kosa nandre ny antso, kanefa an-tsitrapo no nandavany
azy.
Tsy ny
famerimberenana ny hoe: " Tompoko, Tompoko " no hidiranareo any amin'ny
fanjakan'ny lanitra, fa ny fanaovanareo ny sitrapon'ny Raiko izay any
an-danitra.
Inona
moa no hitranga, raha mandeha mankany am-baravaran'ny iray amin'ireo trano
lehibe ao an-tanān-dehibe amin'ny andro alina be hianao, ka efa any am-pandriana
ny tompon-trano, hianao anefa mandondona mafy sy miantsoantso hoe: " Vohay
ny varavarana fa te-hiditra aho e ! "
Hamaly
ilay tompon-trano hoe: " Mandehana any , tsy fantatro hianao. "
Raha
mbola mikiry manazava hianao hoe: " Ka izaho anie nisakafo tao amin'ny
hotely nihinananao e, ary nandre anao nampianatra teny amin'ny arabenay,
" dia izao ihany no havaliny: " Tsy mazava aminao ny teniko, efa nolazaiko
taminao fa tsy mahafantatra anao aho. Aza manabataba ahy!"
Amin'ny
andron'ny fitsarana be dia be no ho avy ka hanao hoe: " Tompoko, Tompoko,
tsy efa naminany tamin'ny anaranao ve izahay, sy nandroaka demonia tamin'ny
anaranao, ary tamin'ny anaranao no nanaovanay asa mahagaga? "
Dia tsy
maintsy holazaiko azy amin'izay hoe: " Mialā amiko, tsy nahafantatra anareo
mihitsy Aho. Niaina ny fiainanareo manontolo tamin'ny fanaovan-dratsy
hianareo. " 6
Mampianatra
anareo amin'ny alālan'ireto fanoharana ireto Aho. Nomena anareo ny hahalala
ny zava-miafin'ny fanjakan'ny lanitra. 7
Ity misy
tantara anankiray indray hanehoana ny fanjakan'ny lanitra: Indray andro
izay nisy lehilahy anankiray mpanankarena mpametra-bola amin'ny raharaham-barotra,
izay niomana handeha hivahiny any an-tany lavitra. Novoriany ireo telo
lahy mpiara-miasa akaiky aminy alohan'ny andehanany ka napetrany tamin'izy
ireo ny fitantanana ireo petra-bolany raha lasa izy. Nomeny kaontim-bola
dimy ny voalohany, kaontim-bola kely roa no nomeny ny faharoa, ary ny
fahatelo nomeny kaontim-bola kely iray. Samy nomeny andraikitra avy arakaraky
ny talentany izy ireo.
Ilay
mpiara-miasa akaiky aminy izay nomeny kaontim-bola dimy tonga dia nanomboka
nividy sy nivarotra, ary tsy ela akory dia nitombo avo roa heny ny petra-bolany
ka nanana kaontim-bola folo izy. Nanao toy izany koa ilay mpiara-miasa
aminy faharoa. Nampiasany ilay kaontim-bola roa izay napetraka taminy,
ary afaka nampitombo azy avo roa heny koa izy. Fa kanosa kosa ilay fahatelo.
Napetrany tao anaty vatakely ny kaotiny, ka naleviny tao anaty tany. Ary
lasa izy fa matahotra sao very na misy mangalatra ilay izy.
Volana
maromaro taty aoriana, niverina tamin'izay nalehany ilay lehilahy mpanan-karena.
Tonga dia novoriany ireo mpiara-miasa akaiky aminy mba hanome tatitra
ny amin'ny nitantanan'izy ireo ny volany.
Notantarain'ilay
mpiara-miasa aminy voalohany ny fomba nampiasainy ny kaontim-bola dimy
ka manana kaontim-bola folo izy amin'izao fotoana izao. Izao no nolazain'ilay
lehilahy mpanan-karena taminy: " Tsara mihitsy ny nataonao sady nahatoky
hianao. Satria mahatoky hianao tamin'ireo kaontim-bola dimy ireo dia homeko
vola be lavitra noho ireo hianao hotantananao. Afaka manomboka mifaly
amin'ireo andraikitra ireo hianao androany. "
Nantsoiny
indray ilay mpiara-miasa aminy faharoa, izay nilaza hoe: " Roa ny kaontim-bola
nomenao ahy hampiasaiko; manana efatra aho izao"
Nony
nandre izany ilay lehilahy mpanan-karena dia namerina indray izay nolazainy
tamin'ilay mpiara-miasa aminy voalohany: " Tsara izany, nahatoky tamin'ny
fitantananao ireo kaontim-bola kely roa ireo hianao. Omeko be dia be hampiasainao
hianao. Mandehana manao ny asanao amin'ny fifaliana. "
Ary farany,
niantso ilay mpiara-miasa aminy fahatelo izy. Hoy izy io: " Nataoko foana
fa lehilahy masiaka hianao. Manangona zana-bola amin'ny volan'ny olona
hianao, ary nieritreritra aho fa ho alainao fotsiny izao izay rehetra
zana-bola azoko tamin'ny kaontim-bolako kely io. Ka dia naleviko tao anaty
tany ilay izy, ary navelako tao mandram-piverinao.
" Ary
izao no notenenin'ilay lehilahy mpanan-karena taminy: " Hianao ity dia
mpiara-miasa adaladala. Fantatrao ny fomba fitondrako ny varotra. Farafaharatsiny
mba azonao napetraka tany amin'ny banky ny vola mba hahazoany zana-bola.
Kaontim-bola iray ihany no nomena ho tantananao dia nalevinao tao anaty
tany ilay izy. Izao na dia ity aza dia halaina aminao ka homena ny iray
izay nitantana izany tamim-pahendrena. Inona sisa ny aminao, afa tsy alahelo
sy nenina? "
Any amin'ny
fanjakan'ny lanitra ireo mampiasa izay ananany, tsy maninona akory na
dia hoatrany tsy misy dikany aza izany, dia mbola hahazo bebe kokoa hatrany
hatrany ary hanana be dia be; fa ireo izay rehetra manao amin-tahotra
na ireo tsy mahatoky na dia amin'ny zavatra farany izay kely indrindra
aza , dia ho very daholo ny zavany rehetra ananany no iafarany. 8
Ohatra
iray koa afaka sintomina amin'ny tantaran'ilay lehilahy tompon'ny tany
izay niainga vao mangiran-dratsy hitady mpiasa hiasa ny tanim-boalobony.
Rehefa nahita ny mpiasa mahay ilay asa izy dia nifanaiky tamin'izy ireo
amin'ny karamany, farantsa volafotsy iray isan'andro. Ary naniraka azy
ireo ho eny an-tanim-boalobony izy.
Nony
atoandrotoandro, tokony teo amin'ny sivy ora, niverina nankany an-tanāna
izy, ary nahita andiana mpiasa izay tsy miasa mijoro tsy manao na inona
na inona eo afovoan-tsena; hoy izy tamin'izy ireo: " Mandehana miasa any
an-tanim-boaloboko, fa homeko karama tsara ianareo. "
Tamin'ny
roa ambiny folo, niverina nankany an-tanāna ilay tompon'ny tany, ary tamin'ny
telo tolakandro indray, isaky ny mankany izy mitondra ireo olona tsy an'asa
hiasa ao amin'ny tanim-boalobony. Farany, tokony tamin'ny dimy ora hariva,
nandeha farany nankany an-tanāna izy. Nifanena tamin'ny olona midonana-poana
tsy an' asa izy. Nanontany azy izy hoe: " Fa maninona hianareo no mijorojoro
eto fotsiny mandritra ny andro? "
Hoy izy
ireo hoe: " Satria tsy misy olona manakarama anay " Hoy izy: " Andao ary
fa mbola manana asa ho anareo ao amin'ny tanim-boaloboko aho. "
Rehefa
tonga ny hariva, dia hoy ilay tompon'ny tany tamin'ilay mpikarakara ny
tanim-boaloboka: " Antsoy ireo mpiasa tany eny amin'ny tanim-boaloboka,
ary omeo azy ireo ny karamany, atombohy amin'ny farany mankany amin'ny
voalohany izay nampiasaiko androany. "
Izay
nanomboka niasa tamin'ny dimy hariva no nandroso, ary samy nandray farantsa
volafotsy iray avy izy. Nony nahita izany ireo izay niasa hatramin'ny
maraina dia nihevitra fa hahazo bebe kokoa. Nony nandroso anefa dia nahazo
farantsy volafotsy iray avy koa izy. Tonga izy dia nanomboka nimonomonona
tamin'ny tompon'ny tany: " Ireo tara vao nantsoina niasa androany hariva
zara raha niasa adiny iray, nefa nomenao karama mitovy amin'ny anay. Izahay
no nanao ny ankamaroan'ny asa nandritra ny fotoana tena nahamay indrindra
tamin'ny andro. "
Namaly
azy ilay tompon'ny tany hoe: " Ô Ry zalahy a, tsy nanao ratsy anareo aho.
Moa tsy efa nifanaiky ny amin'ny karama indray andro moa isika ho farantsa
volafotsy iray? Ka raiso ny anareo, dia lasa hianareo. Izaho no nisafidy
ny handoa karama mitovy amin'ny anareo ho an' ireo izay nanomboka niasa
tamin'ny fiafaran'ny andro.
Moa ve
tsy manana zo hitantana ny volako araka izay hitiavako azy aho?Ary angaha
feno fialonana ny masonareo satria hitanareo fa malala-tānana sy tsara
fanahy aho?
Mbola
fanoharahana ny amin'ny fanjakan'ny lanitra koa ity, satria lazaiko aminareo
,fa izay farany no ho voalohany ary izay voalohany no ho farany. Be dia
be no nantsoina fa vitsy kely no fidina.9
Fa sahala
amin'ny harena milevina any anaty tanim-boly ny fanjakan'ny lanitra. Hitan'ity
lehilahy iray ity izany indray andro izay.Ka tonga dia nototofany haingana
izany. Nivarotra tamin'ny fifaliana izay rehetra nananany izy, nataony
ho toy ny zavatra kely izay nafoiny tamin'izany mba hividianany ilay tanim-boly.10
Tsy navelan'ireo
izay rehetra miditra ny fanjakan'ny lanitra hisy zavatry ny tany mihazona
azy ireo ety.Tahaka ny mpivarotra izay nitady ny perla iray lafo vidy
nandritra ny fiainany manontolo, nahafoy ny zavatra rehetra tamim-pifaliana
izy ireo mba hahafahany mahazo izany harena sarobidy izany- fiainam-baovao,
fomba fisainana vaovao , fanantenana eto amin'ity izao tontolo izao ity
sy ny fiainana izay mbola ho avy .11
Mandroso
manaraka planina masina ny fanjakan'Andriamanitra. Mamafy voa eny an-tanim-boliny
ny mpamboly ,ary lasa natory izy rehefa vitany ny asa nataony. Isan'andro
izy mifoha miasa mandra-paharivan'ny andro.Tao anatin'izany nanomboka
ny fitombo araka ny lalān'ny natiora , nitsimoka sy nanomboka nitsiry
ilay voa, zavatra isan-karazany tena sarotra tsy takatry ny sain'ilay
mpamboly; voalohany aloha nisy tsiry malefaka kely nipoitra, dia avy eo
salohim-bary, avy eo indray vokatra masaka; mandram-pahatonga ny fotoana
andraisan'ilay mpamboly ny antsiny fa tonga ny fararano.12
Tahaka
ny voan-tsinampy nambolena eny an-tanimboly ny fanjakan' ny lanitra. Na
dia anisan'ireo voa farany izay madinika indrindra aza izy, zava-maniry
lehibe no maniry avy aminy, manjary avo be saika tahaka ny hazo, toerana
izay ipetrapetrahan'ny vorona sy ahitany fialofana.Tahaka ny sira indray
mitsingina anaovana mofo. Ka na dia afangaro amin'ny kobam-bary betsaka
aza, dia mahamasina ny koba rehetra izy.13
Farany
ny fanjakan'ny lanitra dia azo ampitahaina amin'ny haraton'ny mpanarato
iray ,izay nalatsaka tany amin'ny faran'ny rano ka nahazo karazan-trondro
maro. Nosarihin'ilay mpanarato teny an-tanety ilay izy rehefa feno.Teo
dia nangoniny tao anaty harona ny trondro tsara, nariany ny ratsy . Ho
tahaka izany koa ny amin'ny andro farany.Ho tonga ny anjely hanavaka ny
ratsy fanahy hiala amin'ny zanak'Andriamanitra, hanipy ny ratsy fanahy
any anaty afo, toeran'ny fanaintainana sy ny fahoriana.14
Nirahiko
hianareo, tsy manana fananana, tsy manam-bola na koa tsy manan-java-kianteherana
mba ho fitahiana ho an'ny hafa. Mba efa tsy nanana na inona na inona ve
hianareo indray mandeha? Aza manahy ny ampitso, fa avelao ny ampitso hanahy
ny aminy. Marina, efa ampy izay manahirana anareo isan'andro, mba tsy
hiahianareo ny amin'ny ho avy. Iza aminareo no afaka mampitombo ny halavany
irain-jehy amin'ny fiasan'ny sainy?15
Jereo
ny vorona eny amin'ny habakabaka; tsy mba manidina eny izy sady be fanahiana
! Tsy mba miari-tory ela izy ny alina mieriteritra ny amin'ny andro ho
avy, satria ny Rainareo any an-danitra no miantoka ny fanomezana sakafo
azy. Tsy fantatrareo ve fa manoatra noho ny fikarakarany ny vorona ny
fikarakarany anareo?16
Moa tsy
vola madinika vitsivitsy fotsiny no vidin'ny tsintsina roa eny an-tsena?
Nefa mbola tsy nianjera amin'ny tany ny iray amin'izy ireny ka tsy fantan'
ny Ray any an-danitra! Ka noho izany, ajanony amin'izay ny fatahorana.
Manan-danja lavitra noho ny andian-tsintsina ianareo. Fa na dia ny volon-dohanareo
aza dia voaisany.17
Nahoana
ianareo no manahy ny amin'izay hotafianareo? Jereo ny lisy maniriniry
foana eny an-tsaha. Maniry amin'izao izy ireny , tsy mila miezaka akory.
Na dia ny Mpanjaka Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza nefa dia
tsy mba nanao fitafiana tsara tarehy tahaka ny iray amin'ireny voninkazo
ireny. Raha toa izany no ikarakaran'Andriamanitra izay maniriniry foana
eny an-tsaha, izay eo androany ary ampirehetan'afo kosa rahampitso, moa
tsy manoatra noho izany ve no hikarakarany anareo? Nahoana no kely finoana
toy izany ianareo?
Ka noho
izany atsaharo ny fitenenana hoe: " Inona no ho haninay? Inona no ho sotroinay?
Hanana ny ampy hitafianay ve izahay? " Izany no fomba fisainan'ny tsy
manam-pinoana, manahy foana. Mangala aina! Fa fantatrin'ny Rainareo any
an-danitra fa ilainareo daholo ireo rehetra ireo, ary mihoatra noho ireo
aza.
Fa katsaho
aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena anareo izay
rehetra ilainareo.18
NY
DIDIN'NY MPANJAKA
Ity
no lehibe indrindra amin'ny didy rehetra: Tiava ny Tompo Andriamanitrao
amin'ny fonao rehetra , sy amin'ny fanahinao rehetra ,ary amin'ny sainao
rehetra ary amin'ny herinao rehetra.1
Ary aoka
ho toy izao ny didy faharoa: Ho tia ny mpifanolo-bodirindrina aminao tahaka
ny itiavanao ny tenanao hianao.2
Izao
no didiko : Ny mba hifankatiavanareo tahaka ny itiavako anareo!Tsy misy
didy lehibe noho ireo.Tsy misy olona manana fitiavana lehibe kokoa noho
Ilay manaiky hanolotra ny ainy ho an'ny namany!3
Na iza
na iza miaina mifanohitra amin'ny kely indrindra amin'ireo didy ireo,
dia izy no ho kely indrindra any amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa na iza
na iza miaina an'ireo, ary mampianatra ny hafa ny fifaliana amin'ny fanarahana
azy, dia antsoina hoe lehibe ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Efa nolazaiko
anareo izany rehetra izany , mba ho aminareo ny fifaliako, ary mba ho
tanteraka ny fifalianareo.4
Marina
fa efa nahare olona hianareo niteny hoe : " Mandeha ho azy ny mitia ny
mpifanolo-bodirindrina aminao, ary mankahāla ny fahavalonao. "
Fa Izaho
kosa milaza hoe, tiava ny fahavalonareo.Tahio ireo izay manozona anareo.Valio
soa izay mankahala anareo. Mivavaha ho an'izay manambāny sy manenjika
anareo; fa rehefa manao izany hianareo dia ho tonga zanaky ny Rainareo
izay any an-danitra: fa Izy mampiposaka ny masoandro amin'ny ratsy fanahy
sy ny tsara fanahy, ary mampirotsaka ny ranon'orana amin'ny marina sy
ny tsy marina. Raha izay tianareo ihany no tianareo, inona no maha tsara
izany? Fa ny mpanao ratsy aza mba manaraka izany fomba izany koa. Raha
ny namareo ihany no ampiantranonareo inona no valisoa ho azo amin'izany?5
Fa izao
ahay, mifankatiava hianareo tahaka ny nitiavako anareo. Rehefa manao izany
hianareo dia ho hitan' ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, satria feno
izany fitiavana tsy tia-tena izany ianareo. Aoka tsy ho voafitaka hianareo,
raha misy tena tia Ahy tokoa dia ho fantatrareo izany. Fa hiaina araka
ny teniko izany olona izany; omen'ny Raiko voninahitra ary voatahy amin'ny
fanatrehany amin'ny maha sakaizany azy. Raha mihaino izay lazaiko hianareo,
ka manatanteraka izany , ary tia Ahy, dia ho tian'ny Raiko sy ho tiako
ianareo. Ho tonga Izahay hanamboatra fitoerana ho Anay ao anatinareo,
ao amin'ny tranon' ny fonareo.6
Tia anareo
ny Raiko, satria nino Ahy ianareo, ary nino fa avy amin'Andrimanitra Aho.
Tomoera amin'izany fitiavana izany. Tandremo ny teniko dia hitoetra amin'izany
fitiavana izany hianareo; mitandrina ny didin'ny Raiko Aho, ary amin'ny
fanatanterahako izany dia mitoetra ao amin'ny fitiavany Aho. 7
Nisy
lehilahy iray izay nandeha avy an'i Jerosalema ho any Jeriko. Teny an-dālana
izy notafihan'ny jiolahy izay nanendaka ny akanjony, nikapoka azy, ary
namela azy torana teo. Nisy mpisorona sendra nandalo anefa tamin'izany
lālana izany. Raha nahita ity lehilahy mahantra ity izy anefa dia niala
ho ery ampitan'ny lālana.
Tsy ela
taorian'izay kosa, nisy lehilahy izay fatra-pivavaka nandalo teo. Niondrika
nijery an' ilay olona niharan-doza izy, dia lasa nandeha haingana.
Farany
indrindra, nisy Samaritana izay namavomavoina noho ny firazanany nanatona.
Raha nahita ity lehilahy naratra ity izy, tonga dia nangoraka azy, ka
ny akanjony mihitsy no norovitiny hanaovana lamba lavalava ary nofeheziny
ny ratran'ilay olona, nohosorany menaka sy divay. Dia napetrany moramora
teo ambonin' ny borikiny izy avy teo, ka nentiny ho any amin'ny hotely
fandraisam-bahiny. Dia naka toky tsara izy fa ho voakarakara tsara io
lehilahy io.
Ny maraina
nialohan'ny hiangany, nandoa vola tamin'ny tompon'ny hotely fandraisam-bahiny
izy ary nanao hoe: " Karakarao izy; ary rehefa miverina aho , haloako
ny volanao."
Ka iza
amin'ireo olona telo ireo no naman'ilay lehilahy izay nianjera teo an-tānan'ireo
jiolahy?
Mandehana,
iaino ny fiainanareo manao tahak'izay nataon'ilay lehilahy tsara fanahy
avy any Samaria.
NY FANJAKANA
VAOVAO
Ny Fanjakan'ny
Lanitra 1. Matio 11:12, 2. Matio 13:24-30,37-43, 3. Matio 12:25-29, 4.
Matio 21:42,43, 5. Marka 3:28,29; Matio 21:31,32, 6. Matio 7:21; Lioka
13:25-27; Matio 7:22,23, 7. Lioka 8:10, 8. Matio 25:14-30, 9. Matio 20:1-16;
22:14, 10. Matio 13:45,46, 11. Matio 13:44, 12. Marka 4:26-29, 13. Matio
13:31-33, 14. Matio 13:47-50, 15. Lioka 22:35; Matio 6:34,27, 16. Matio
6:26, 17. Matio 10:29,30, 18. Matio 6:28-33
Ny Didin'ny Mpanjaka
1. Marka 12:29,30; Deotornomia 6:4, 2. Marka 12:31; Levitikosy 19:18,
3. Marka 12:31; Jaona 15:12,13; Marka 12:31, 4. Matio 5:19; Jaona 15:11,
5. Matio 5:43-47, 6. Jaona 13:34,35; 14:23, 7. Jaona 16:27; 15:9,10, 8.
Lioka 10:30-37
|