Dia
ho tanteraka avokoa ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany
momban'ny Mesia. Fa hatolotra ho amin' ny jentilisa Izy, dia hataony
fihomehezany sy hisetrasetrany sy hororany, ary hokapohiny sy hovonoiny,
ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana Izy.1
Tsy
ho ela intsony dia tsy maintsy handao an'ity tany ity Aho. Fa amin'
izao fotoana izao mbola tsy afaka manaraka Ahy any amin'ny toerana
halehako hianareo. Handeha isika hiaraka hihinana Paska farany,
alohan'ny ahatongavan'ny fotoana hijaliako; fa lazaiko aminareo
marina tokoa : fa tsy hankalaza ny Paska intsony Aho raha tsy tanteraka
ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra daholo ny hevitr'izany rehetra
izany; ary tsy hisotro ny ranom-boaloboka intsony Aho mandram-pahatongan'
ny fanjakan'Andriamanitra .
Ity
mofo ity no solon'ny tenako izay omena anareo. Hano ity ho fahatsiarovana
Ahy. Ity divay ity no misolo-tena ny fanekena vaovaon'Andriamanitra
ny amin'ny famonjena, voatomboka amin'ny ràko, izay nalatsako ho
solonareo. 2
Tsy
maintsy manome ny aiko Aho araka izay efa nolazain'ny mpaminany.
Fa tahaka ny inona ny loza hanjo ilay namadika ny Zanak'Olona. Fa
tsara ho azy kokoa raha tsy teraka izy.Tsy ho anareo rehetra no
ilazako izany, satria fatantro tsara ireo izay nofidiko; kanefa
efa voasoratra hoe : " izay iray mizara mofo Amiko ihany no hamadika
Ahy . " Lazaiko aminareo izany izao alohan'ny hahatongavan'ilay
izy mba hinoanareo Ahy any aoriana.3
Mirehareha
ve hianareo fa manaiky ny hahafoy ny ainareo noho ny Amiko? Mampalahelo
nefa fa handao Ahy daholo hianareo amin'ny alina izay hamadihana
Ahy , araka izay voasoratry ny mpaminany hoe: " hasiako mafy ny
mpiandry ondry, dia hiparitaka ny ondry . "4
Ray
ô, henoy ny vavaka ataoko! Raha azo atao, esory amiko ity fampijaliana
ity! Kanefa aoka anie tsy ny sitrapoko no atao fa ny Anao.5
Indro
, tonga ny ora hanolorana ny Zanak'Olona eo an-tanan'ny mpanota.Tandremo
fa izay velona amin'ny sabatra dia ho matin'ny sabatra.6
Nefa
ahoana no amadihanareo ny Zanak'Olona amin'ny fanorohana, sady misambotra
Ahy tahaka ny mpangalatra, mitondrana sabatra sy kibay ? Isan'andro
izao niaraka taminareo teo am-piangonana Aho, ary tsy nikasin-tànana
Ahy mihitsy ianareo. Fa izao no oranareo ary miasa ny herin'ny maizina.7
Tsy
tonga saina ve hianareo fa afaka mivavaka amin'ny Raiko Aho, ary
afaka mandefa anjely legiona roa ambin'ny folo hiaro Ahy Izy ? Fa
ahoana izany no ahatanterahan'ny Soratra Masina izay milaza mialoha
fa tsy maintsy sahala amin'izay no fisehon'ny zavatra rehetra? Hankalazaina
izao ny Zanak'Olona; ary homem-boninahitra miaraka Aminy Andriamanitra.8
NY
FITSARANA SY NY HAZO FIJALIANA
Hianao
tsy manana fahefana Amiko akory raha tsy nomena anao avy any ambony.
1
Fa
maninona Aho no tsarainareo amin'ny fametrahanareo ireo fanontaniana
ireo? Tokony hanontany izay rehetra mihaino Ahy hianareo. Mahafantatra
tsara ny zavatra nolazaiko izy ireo. Tsy nozaraiko tao amin'ny miafina
ny hafatra nataoko, fa nolazaiko mazava ho ren'izao tontolo izao.
Hitan'ny olona rehetra Aho nampianatra teny amin'ny toerana fanaovana
fotoam-pivavahana, sy tao an-tokotanin'ny tempoly, izay niangonan'ireo
olona mpanaraka Ahy.
Raha
toa nanohitra ny lalànareo ny teny izay nataoko, dia manomeza porofo
ny amin' izany. Nefa raha mba ny marina no nolazaiko, nahoana no
dia mamely Ahy hianareo? 2
Tsy
eto amin'ity izao tontolo izao ity ny fanjakako. Raha toa eto amin'ity
izao tontolo izao ity ny fanjakako dia ho nandray fiadiana ireo
olona mpanaraka Ahy hiaro azy, ka tsy atolotra eo ampelan-tànanareo
Aho. Nefa tsy fanjakana ety an-tany ny fanjakako.
Kanefa
marina tokoa hianareo tamin'ny nanamelohanareo Ahy amin'ny maha
Mpanjaka Ahy. Fa izany no antony nahaterahako ary izany no antony
nahatongavako eto amin'izao tontolo izao: mba ho vavolombelona hanambara
ny marina Aho. Izay rehetra tia ny marina no mahafantatra ny hafatra
ataoko. 3
Ary
ankehitriny no azera ny andrian'izao tontolo izao, ary raha asandratra
hiala amin'ny tany Aho, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
4
Ary
izany indrindra no itiavan'ny Raiko Ahy, satria manolotra ny aiko
Aho mba hahafahako maka azy indray. Tsy misy olona afaka maka azy
Amiko; fa manolotra azy amin'ny sitrapoko Aho. Manana fahefana ny
hanolotra azy Aho, ary manana fahefana ny haka azy indray. Ny Ray
no nanome Ahy izany hery sy zo izany. 5
6 Ray
ô! Mamela ny helony fa tsy fantany izay ataony.
Ely, Ely,
lamà sabaktany!
*
· Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao?
MANARAKA
NY FITSANGANANY AMIN'NY MATY
Ry
adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy ka hiditra any amin'ny
voninahiny? Aza mba ho isan'izay tsy manam-pinoana, fa mba minoa.
1
Ary
izany no nolazaiko taminareo, raha mbola teo aminareo Aho, mba ho
tanteraka ny zavatra rehetra momba Ahy izay nosoratan'ny lalàn'i
Mosesy sy ny mpaminany ary ny mpanao Salamo: Fa tsy maintsy hiaritra
fijaliana i Kristy, ary hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
mba ho torina amin'ny anarany, manomboka eto Jerosalema sy eran'ny
firenena rehetra ny fibebahana sy ny famelan-keloka noho ny fahotana.
2
Fantatro
izay niaviako, ary fantatro izay halehako. Tsy afaka milaza hianareo
hoe avy aiza no niaviako, na izay halehako. Avy eto amin'ny tany
hianareo. Fa Izaho avy any ambony. Avy eto amin'izao tontolo izao
hianareo. Izaho tsy mba naman'izao tontolo izao. 3
Tsy
misy olona afaka miakatra any an-danitra afa-tsy izay nidina avy
any an-danitra, ny Zanak'Andriamanitra izay any an-danitra. Mandehana,
ka lazao ny rahalahiko fa mialoha anareo mankany amin'ny Raiko sy
ny Rainareo Aho; ary amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo. 4
Fa
maninona no malahelo hianareo, ary mamela ny sainareo ho feno fanahiana?
Fiadanana. Jereo ny tanako sy ny tongotro. Kasiho Aho, ary ambarao
ny fitsanganako amin'ny maty, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo
sy taolana tahaka Ahy araka izao hitanareo izao. Mino hianareo satria
nahita Ahy. Sambatra kokoa izay tsy nahita Ahy nefa mino. 5
Afaka
fotoana vitsivitsy, tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa
ny fanatrehako ho eo aminareo , hiaraka aminareo; ary satria velona
Aho, dia ho velona koa hianareo. 6
MANDRAKARIVA
Tahaka
ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo. 1
Koa
amin'izany mandehana, ary mampianara ny firenena rehetra, manao
batisa azy amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Mandehana amin'izao tontolo izao, ary ambarao amin'ny olona rehetra
ity vaovao mahafaly ity. Izay mino sy atao batisa no hahazo famonjena;
fa ho very ireo izay tsy mino. 2
Raiso
ny teny fampanantenan'ny Ray izay norenesinareo Tamiko, Fa nanao
batisa ny mpanara-dia azy tamin'ny rano i Jaona mpanao batisa, fa
hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. 3
Handray
hery vaovao hianareo rehefa tonga aty aminareo ny Fanahy Masina;
ary ho vavolombeloko hianareo, manomboka eto Jerosalema, sy Jodia
ary Samaria, hatrany am-paran'izao tontolo izao. Raiso ny Fanahy
Masina. 4
Ampianaro
ny olona izay rehetra nampianarako anareo; ary tsarovy fa ...momba
anareo mandrakariva hatrany am-paran'izao tontolo izao Aho. 5
NY
ANDRO FARANY NIAINAN'I KRISTY TETY AN-TANY
Ny
Namadihana Azy 1. Lioka 18:31-33, 2. Jaona 13:33; Lioka 22:15,16,18-20,
3. Matio 26:24; Jaona 13:18; Salamo 41:9; Jaona 13:19, 4. Jaona
13:38; Marka 14:27; Zakaria 13:7, 5. Marka 14:36, 6. Marka 14:41;
Matio 26:52, 7. Lioka 22:48,52,53, 8. Matio 26:53; Jaona 13:31
Ny
Fitsarana sy ny Hazo Fijaliana 1. Jaona 19:11, 2. Jaona 18:21,20,23,
3. Jaona 18:36,37, 4. Jaona 12:31,32, 5. Jaona 10:17,18, 6. Lioka
23:34,* Matio 27:46
Fanarahana
ny Fitsanganany amin'ny Maty 1. Lioka 24:25,26; Jaona 20:27, 2.
Lioka 24:44,46,47, 3. Jaona 8:14,23, 4. Jaona 3:13; 20:17, 5. Lioka
24:36-39; Jaona 20:29, 6. Jaona 14:19 Mandrakariva 1. Jaona 20:21,
2. Matio 28:20; Marka 16:15,16, 3. Asa 1:4,5, 4. Asa 1:8; Jaona
20:22, 5. Matio 28:20.