Fa
na iza na iza, no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ireo andron'ny
fahotana sy ny tsy finoana ireo dia ho menatra izany olona izany
ny Zanak'Olona, raha miverina amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka
amin'ny anjeliny masina Izy. 1
Mbola
tsy mino ihany ity taranaka mpamadika miantsoantso mangataka famantarana
ity; fa tsy misy famantarana homena azy afa-tsy ny famantarana izay
nomena ny mpaminany Jona. Fa tahaka ny nijanonan'i Jona telo andro
sy telo alina tao an-kibon'ilay trozona, dia toy izany koa ny Zanak'Olona
hilevina telo andro sy telo alina ao ambanin'ny tany.
Ho
avy tokoa ny andro izay hitsanganan'ny mponina tao Ninive, ilay
Tanānan'ny Mpangalatra, eo amin'ny fitsarana eo anoloan'ity taranaka
ity, ka hanameloka azy ; fa nibebaka ireo tamin'ny toritenin'i Jona,
fa amin'izao fotoana izao lehibe noho i Jona no mijoro eto anatrehanareo.
Hiara-hitsangana
amin'ity taranaka ity koa amin'ny fitsarana, ny mpanjakavavin'ny
Seba ka hanameloka azy ; fa avy tany lavitra be tany izy no tonga
mba hihaino ny fahendren'i Solomona, ary indro, tonga eto izay mana-pahendrena
noho i Solomona. 2
Ahoana
no fomba hilazako ny toetran' ity taranaka ity ? Tahaka ny ankizy
madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany : "
Efa nitsoka sodina mahafinaritra taminareo izahay, kanefa tsy nandihy
hianareo, na nihira. Dia efa nanao hira fanao rehefa misy maty izahay,
kanefa tsy nety nalahelo hianareo."
Tonga i Jaona, ilay mpialoha lālana ary nipetraka teo aminareo tamin'ny
fampijalian-tena. Hoy ny rehetra hoe : " Misy demonia mihitsy angamba
izy io". Tonga eto aminareo izao ny Zanak'Olona, mankamamy ny fiainana
amin'ny fahafenoany dia hoy hianareo hoe: " Mpisotro toaka sy tendan-kanina
, sakaizan'ny olona ratsy fitondran-tena sy ny mpanota ". Ary manamarina
ny fivadibadihana ao anatinareo amin'ny fahendrena ambony sahala
amin'izany hianareo. 3
Ry
taranaka izay miaina amin'ny fiainana miorina amin'ny lainga : ataonareo
izay mpanao ny tsy marina ahoana no fiteny zavatra mendrika ho henoina?
Fa avy amin'ny habetsahan'ny ao am-po no itenenan'ny vava. 4
Nony
hariva dia hoy hianareo hoe : " Ho tsara ny andro, satria mena ny
lanitra. " Ary nony maraina, hoy hianareo hoe : " Ho ratsy ny andro
anio, fa manjombona ny lanitra. " Hainareo mihitsy ny mamantatra
marina izay ho toetry ny andro. Ka tsy mahay manavaka ny famantaran'ny
fiovan'ny andro ve hianareo ? 5
Avia,
hianareo rehetra izay reraka, voatsindry ary leo ny fiainana, fa
omeko fitsaharana mahafinaritra hianareo! Raiso ny teniko, ary avelao
Aho hampianatra anareo, fa malemy paika sady tsara fanahy Aho. Hahita
fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo amin'ny farany ! Fa tombotsoanareo
no angatahiko izany aminareo, ary fahazavana no omeko mba ho entinareo.
6
Izay
aminareo nisafidy ny hanaraka Ahy amin'ity taranaka ity dia hipetraka
eo ambonin'ny seza fiandrianana indray andro any ary hitsara fanjakana
sy ireo izay nanamafy ny fony ka niala tamin'izao tenin'ny fahamarinana
izao. 7
FITOERANA
HO ANAREO
Handeha
hanamboatra fitoerana ho anareo Aho! 1
Aoka
ho fantatrareo izao : raha handeha hanamboatra fitoerana ho anareo
Aho dia hiverina indray, ary haka anareo hiaraka amiko any; ka mba
ho amin'izay misy Ahy dia any koa no hisy anareo. Aza avela hatahotahotra
ny fonareo: mino an'Andriamanitra hianareo; minoa Ahy koa. Ao amin'ny
tranon'ny Raiko misy lapa soa maro be: raha tsy izany dia nilazako
hianareo. Tsy maintsy mandeha Aho, nefa mbola hiverina aty aminareo
indray. Raha tena tia Ahy marina hianareo dia tokony hifaly, satria
ho any amin'ny Ray Aho : satria lehibe noho Izaho ny Raiko. 2
Ary
aza gaga hianareo amin'izay tiako holazaina tamin'ny nitenenako
hoe : Tsy ho hitanareo intsony aho fotoana fohy; ary tsy ho ela
akory aorian'izany dia ho hitanareo indray Aho. Hitomany sy halahelo
hianareo; fa izao tontolo izao kosa hifaly. Ho ory hianareo nefa
ho lasa fifaliana ny fahorianareo. 3
Manaintaina
sy tahaka ny hiala aina ny vehivahy iray eo am-piterahana; nefa
raha vao teraka ilay zazakely dia adinony daholo ny fanaintainany,
noho ny hafaliany fa tonga ety an-tany ny zanany. Mety handalo fahoriana
mandritra ny fotoana fohy hianareo, nefa ho hitako indray hianareo
ary hifaly ny fonareo, ary tsy misy na dia iray akory aza afaka
hanaisotra ny fifalianareo aminareo. 4
NY
TENY FIKASANA NY AMIN'NY FANAHY MASINA
Ny
Fanahy no manana ny hery hanome fiainana. 1
Raha
tia Ahy hianareo dia hanaraka ny didiko. Ary hivavaka amin'ny Ray
Aho ary Izy hanome anareo Mpampionona anankiray izay hiaraka aminareo
mandrakizay. Izy no Fanahin'ny fahamarinana. Tsy mandray Azy izao
tontolo izao satria sady tsy hitany Izy no tsy fantany. Fa ho fantatrareo
kosa Izy satria hiara-hipetraka aminareo Izy ka ho ao anatinareo.
2
Tsy
avelako halahelo hianareo. Fa ankehitriny tsara ho anareo ny andehanako;
satria raha tsy mandeha Aho, tsy ho tonga aty aminareo ny Mpampionona,
dia ny Fanahy Masina. Halefako aty aminareo Izy raha lasa Aho.
Rehefa
tonga Izy dia hampiharihary amin'izao tontolo izao ny amin' ny fahotana,
sy ny amin'ny fahamarinana ary ny fitsarana. Ny fahotana, satria
tsy mino Ahy izy ireo, ny fahamarinana satria mankany amin'ny Raiko
Aho, ary tsy ho hitanareo Aho ; ny fitsarana, satria efa nopotehina
ny hery ratsin'ny andrian'izao tontolo izao.
Manana
zavatra maro hafa holazaina aminareo Aho, nefa tsy ho azonareo izany
izao. Kanefa rehefa tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, Izy no hitarika
anareo amin'ny marina rehetra satria tsy hiresaka ny momba ny tenany
Izy; fa izay rehetra reny no ho lazainy, hampisehoany aminareo izay
rehetra ho avy. 3
Hankalaza
sy hanome voninahitra Ahy amin'ny fanehoany ny voninahitro aminareo
Izy. Tsarovy : izay voninahitry ny Ray rehetra dia Ahy. Izany no
ahafahako manao izao teny fikasana izao aminareo : ny Fanahy Masina
no haneho aminareo ny maha-Andriamanitra Ahy. 4
Raha
nangataka mofo aminareo ny zanakareo, nomenareo vato ve izy ? Ary
raha nangataka trondro aminareo ho haniny ny zanakareo, nomenareo
bibilava ve izy? Nomenareo maingoka ve ilay ankizy kely nangataka
atody ? Koa raha hianareo aza, eto amin'ity tany ity, mahay manome
izay tadiavin'ny zanakareo, tsy mihoatra noho izany ve no hanomezan'ny
Rainareo izay any an-danitra ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka
Aminy ? 5
Rehefa
tonga ilay Mpampionona, Ilay Fanahin'ny fahamarinana izay nirahiko
ho aty aminareo avy tamin'ny Ray, dia Izy no hanambara ny momba
Ahy. Hampianatra anareo ny zavatra rehetra Izy, ary hampahatsiaro
anareo izay rehetra nambarako taminareo. 6
FANASANA
HO ANY AMIN'NY FIAINANA
Izay
rehetra mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay. 1
Nikasa
hanao fanasana lehibe ity lehilahy mpanan-karena iray ka nanasa
vahiny maro. Rehefa vita ny fanomanana , naniraka ny mpanompony
ho amin'ireo izay rehetra nasaina izy nilaza hoe: " Avia fa efa
vonona daholo ny zavatra rehetra. "
Ireto
nasaina rehetra kosa anefa niala tsiny daholo. Namaly ilay voalohany
hoe: " Vao avy nividy tany aho izao ka tsy maintsy mandeha mijery
azy indray. Mba ialao tsiny re aho e."
Hoy
ilay faharoa hoe: " Nividy omby maromaro aho ka tsy maintsy mandeha
mijery azy." Mba ialao tsiny re aho azafady e."
Nisy
fahatelo namaly hoe: " Vao avy nanambady vao aho ka tsy afaka manatrika.
"
Farany,
rehefa niverina ilay mpanompo nitatitra izay rehetra nitranga, hoy
ilay tompony nandidy azy: " Mandehana faingana eny amin'ny arabe
eto an-tanāna, ka angony ny mahantra, ny kilemaina, ny marary ary
ny jamba. "
Dia
nataon' ilay mpanompo izany ary niverina izy ka nilaza hoe: " Tompoko
efa nataoko izay nasainao natao kanefa mbola misy toerana malalaka
eo amin'ny latabatra. "
"
Mandehana āry" hoy ilay lehilahy mpanan-karena, "mivoaha indray
eny amin'ny lalam-be sy eny an-tsaha ka tereo izay rehetra mifanena
aminao hiditra aty mba ho feno ny latabatro. Fa lazaiko aminao:
tsy misy na dia iray aza amin'ireny izay nasaina hatramin'ny voalohany
ireny no hanandrana ny hanim-pitoloha izay efa namboariko ho azy.
"
Izay
rehetra mandre ny teniko ka mino an'Izay naniraka Ahy no hanana
ny fiainana mandrakizay, ary tsy ho helohina; fa hiala amin'ny fahafatesana
ho amin'ny fiainana. Ary aza taitra amin'izany; fa ho avy ny fotoana
izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra, ary ho
velona izay rehetra mandre ny feony. Handre ny feony ny maty any
am-pasana ka hatsangana; izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin'ny
fiainana vaovao, ary ireo izay niaina tamin'ny fahotana dia hatsangana
ho amin'ny fanamelohana. 3
Ity
no lālana mankany amin'ny fiainana mandrakizay: ny fahafantarana
an'Andriamanitra marina sy Jesosy Kristy, Ilay nirahina ho ety ambonin'ny
tany! Raiso ao am-ponao ny teniko. Fa notiavin'Andriamanitra tokoa
izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy tokana ho faty, ka na
iza na iza mino Azy dia tsy ho faty fa ho voavonjy sy hanana ny
fiainana mandrakizay. Ary ho torina amin'izao tontolo izao ity vaovao
mahafalin'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra;
izay vao ho tonga ny farany. 4
NY
ANDRO FARANY
Lazaiko
marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatanterak'ireo
zavatra rehetra ireo. 1
Nisy
olona iray izay, tompon-tany namboly voaloboka, ary nanao famiazam-boaloboka
tao amin'ny taniny. Nasiany fefy avo manodidina ny taniny, ary nanangana
tilikambo fiambenana izy. Dia nampanofainy tamin'ny mpikarakara
voaloboka izany ka nandeha ho any amin'ny tany lavitra izy. Rehefa
nanakaiky ny fotoam-pahavokarana, dia naniraka ny mpanompony nankany
amin'ilay mpikarakara voaloboka mba hamory ny anjarany amin'ny tombom-barotra
ilay tompon-tany. Fa nanaovan'ireo mpikarakara voaloboka otrika
ireo mpanompo ireo ka nokapohiny ny iray, novonoiny ny faharoa,
ary noroahany tamin'ny tora-bato ny fahatelo.
Nandefa
mpanompo tany fanindroany indray ilay tompony mba hanangona ny anjarany;
ka na dia maro noho ny voalohany aza ireo andian'olona nalefany
dia mitovy amin'izay ihany no nahazo an'ireo mpanompony.
Farany
ny zanany lahy tokana no nalefan'ilay tompon-tany sady izao no tao
an-tsainy: " Fara-faharatsiny mba hankatoaviny kosa ny zanako naterako.
"
Kanefa
raha vao hitan'ny mpikarakara voaloboka nanatona ilay zanany lahy
dia nanao teti-dratsy izy samy izy teo hoe : " Ity ilay mpandova.
Ka raha vonointsika izy, ho lasantsika daholo ny lovany rehetra.
"
Koa
tonga dia nosamboriny izy ary notarihin' izy ireo tany ivelan'ny
tanim-boaloboka ka novonoiny ho faty. Manontany anareo aho: rehefa
miverina moa ny tompon'ity tanim-boaloboka ity, inona no hahazo
ireo mpikarakara voaloboka ireo? 2
Ry
oloko, ry oloko ô, hianareo izay namono ny mpaminany, ary nanilikilika
ireo rehetra izay nirahiko ho ety aminareo, impiry moa Aho no nanangona
anareo tahaka ny fanangonan'ny reny akoho ny zanany ao ambanin'ny
elany, kanefa tsy nekenareo izany! Indro avela ho foana ny tranonareo;
ary tsy hahita Ahy hianareo mandram-pahatongan'ny fotoana izay hitenenan'ny
rehetra hoe: " Isaorana anie Ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo. "
3
Raha
mba fantatrareo mantsy, amin' izao andronareo izao, ny fiadanana
mandrakizay izay teo am-pelatānanareo! Kanefa izao, miafina amin'ny
masonareo izany. Mihozongozona ny herin'ny lanitra, mihorohoro noho
ny tahotra ny fon'ny olona, mieritreritra mialoha sahady ny loza
izay ho avy eto ambonin'ny tany. 4
Rehefa
tonga ny andro farany, ary hitanareo ny fahavetavetan'ny fandravana
izay nolazain'i Daniela mpaminany, " mitsangana amin'ny fitoerana
masina ", dia izay no fotoana handosiran'izay rehetra monina eo
an-tanān-dehibe ho any an-tendrombohitra. Aoka izay eny an-tampon-trano
tsy handany fotoana hidina haka na inona na inona ao an-trano; ary
aoka koa ireo izay rehetra miasa eny an-tsaha tsy hisy hiverina
haka ny akanjony. Indrisy, mampalahelo ny vehivavy mitaiza kely
amin'izany andro izany! Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina na
ho amin'ny Sabata no handosiranareo: fa hisy fahoriana lehibe izay
tsy nisy toy izany hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao ary tsy
hisy toy izany intsony. Raha tsy nohafohezina izany andro izany
dia tsy hisy olona ho velona intsony: kanefa hafohezina izany andro
izany noho ny amin'ireo olom-boafidin'Andriamanitra. 5
Fa
ho avy ny andro izay hihadian'ny fahavalonareo lavaka manodidina
ny mandanareo ka hanodidina anareo avy amin'ny lafiny rehetra izy.
Ary hatsipiny eny amin'ny tany hianareo, ary ny zanakareo hiaraka
aminareo amin'izany, ka tsy hisy havelany hijanona na dia vato iray
hifanongoa amin'ny vato iray aza, ary izany fahoriana rehetra izany
noho ny tsy nanekenareo fa Andriamanitra mihitsy no namangy anareo.
6
Hitanareo
ve ny hankaton'ny mandan'ny tempoly? Lazaiko aminareo marina tokoa,
tsy hisy na dia vato iray tavela hitsangana! Hohitsakitsahina ao
am-paladian'ny jentilisa Jerosalema, mandra-pahatapitrin'ny fetr'andron'izy
ireo. 7
Rehefa
mandre ady sy fitabataban'ny fandravana hianareo, aza avela ho ketraky
ny tahotra ny fonareo: fa tsy maintsy mitranga aloha ireny zavatra
ireny; nefa mbola tsy tonga ny farany. Ny firenena hitsangana hanohitra
firenena, ary ny fanjakana hanohitra fanjakana. Ary hisy zava-mampatahotra
sy famantarana lehibe hiseho eny amin'ny lanitra. Hisy famantarana
eny amin'ny masoandro sy eny amin'ny volana ary eny amin'ny kintana.
Ary hisy fahoriana lehibe amin'ny firenena eto ambonin'ny tany sy
fahaverezan-kevitra ary fidradradradrana tahaka ny onjan-dranomasina
mahery. Ary vao maika hitombo ny mosary sy loza amin'atambo maro,
ary ny horohorontany. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana.
Satria ho be dia be ny fahotana, dia hihangatsiaka ny fitiavan'ny
maro. 8
Ho
fitahina sy ho helohina ho faty hianareo ary ho halan'ny firenena
rehetra noho ny anarako. Nefa aoka hiambina sy hivavaka foana hianareo
mba ho anisan'ireo mendrika handositra izany zavatra hitranga amin'ny
ho avy izany, ary hitsangana indray andro any eo anatrehan'ny Mesia,
Ilay Zanak'Olona. 9
Ianāro
izay afaka ampianarin'ny aviavy anareo. Rehefa manaroka ny rantsany
ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Tsy misy
olona mahalala ny andro marina, na ny ora marina hiverenan'i Mesia;
na dia ny anjely any an-danitra aza, fa ny Raiko ihany. Ary rehefa
hitanareo fa manomboka tonga ka miseho ireo zavatra rehetra ireo
dia ho fantatrareo fa antomotra ny andro. 10
ILAY
FIVERENANA
Koa
amin'izany miambena, fa tsy fantatrareo ny ora hiverenan'ny Tomponareo.1
Mitandrema
mba tsy hisy olona hamitaka anareo; fa amin'ny andro farany, be
dia be no ho avy hampiasa ny anarako ka hilaza hoe: " Izaho no Kristy,
" ary ho maro no ho voafitany. Hitsangana ny mpaminany sandoka;
ary mba hitarika ny maro hino ny laingany koa izy ireo. 2
Aza
mino azy ireny rehefa miteny aminareo izy hoe: " Ity misy iray tahakan'i
Kristy, na misy karazan'i Kristy iray ary." Fa be dia be no Kristy
sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana manaitra
sy fahagagana maro. Na dia ny marina aza dia ho voafitany.
Raha
hoy izy hoe: " Indro any an'efitra Izy ", aza mihazakazaka mankany
hitady Ahy; na raha hoy izy hoe: " Mipetraka any amin'ny toerana
miafina Izy ary izaho irery no mahalala izany" aza mino azy. Fa
tahaka ny tselatra mamakivaky ny lanitra, manazava ny habakabaka
avy any atsinanana mankany andrefana, dia ho tahaka izany koa ny
fihavian'ny Zanak'Olona. 3
Amin'ny
andro farany hiseho eny amin'ny lanitra ny famantaran'ny Zanak'Olona,
ka hahatonga ny firenena eto an-tany hangorohoro; fa hahita ny Mesia
izy ireo, ny Zanak'Olona ho avy amin'ny heriny sy ny voninahiny
lehibe; ary hahita ny Zanak'Olona mipetraka eo an-tanan'ankavanan'Andriamanitra
velona, hiverina eny amin'ny rahon'ny lanitra izy ireo. Ary Izy
haniraka ny anjeliny hampaneno mafy ny trompetra; ary hanangona
ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra ireo, avy amin'ny
fiafaran'ny lanitra sy ny tany tena lavitra indrindra ary hamaly
soa ny tsirairay avy araka ny asany. 4
Fa
tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, toy izany koa amin'ny andro hahatongavan'ny
Zanak'Olona. Talohan'ny nahatongavan'ny safo-drano lehibe, nihinana
sy nisotro izy ireo, nampaka-bady sy nampanam-bady, ary nanao fety
tsy nanana ahiahy mandram-pahatongan'ny andro nidiran'i Noa tao
anaty sambo fiara. Tsy niraharaha ny fampitandremana ny amin'ny
hahatongavan'ny safo-drano izy. 5
Fa
tahak'izany koa tamin'ny andron'i Lota. Nihinana sy nisotro, nividy
sy nivarotra, namboly sy nanorina izy ireo. Fa tamin'ny andro izay
nialan'i Lota tany Sodoma dia nilatsaka ny afo sy solifara miempo
avy tany an-danitra, ka nandringana azy rehetra. Ary tahaka izany
koa amin'ny andro isehoan'ny Zanak'Olona. 6
Aza
avelanareo ho vesarin'ny fanarahana ny rendrarendran'izao tontolo
izao ny fonareo, ny fanaranam-po amin'ny ratsy, na ny fanahiana
ny amin'izao fiainana izao. Aza avela hahatratra anareo tsy voaomana
ny fiverenako; fa tahaka ny fahatratraran'ny fandrika tampoka anareo
no hilatsahany tampoka amin'izay rehetra mipetraka ety ambonin'ny
tany.7
Hisy
roa lahy hiasa eny an-tsaha. Ny iray ho raisina ny iray kosa havela.
Hisy roa vavy izao mitoto-vary. Ny iray horaisina, ny iray havela.
Noho izany miambena: fa tsy fantatrareo izay ora hihavian'ny Tomponareo.
Nefa aoka ho fantatrareo izao: fa raha nahafantatra ny ora izay
novinavinain'ny mpangalatra hamakiany ny tranony moa ireo izay ao
an-trano, dia niari-tory izy ary niandry fa tsy hamela ny tranony
hovakiana.
Azoko
lazaina marina aminareo tokoa izao, be dia be ny mpanjaka sy ny
mpaminany naniry hahita ny zavatra hitanareo izao, nefa tsy mba
nanana fahafahana hahita azy ireo; ary handre ireo zavatra izay
renareo izao, kanefa tsy mba nanana fahafahana handre azy ireo;
hianareo nefa nahita ireo faminaniana rehetra ireo tanteraka.
Koa
omany ny fonareo; fa amin'ny ora izay tsy ampoizinareo indrindra
no hihavian'ny Zanak'Olona. 8
Henoy
anie ny tantaran'ireo virijina folo, izay nandray ny jirony ka lasa
nitsena ny mpampakatra, hanazava ny lālana amin'ny fahatongavany.
Nisy vehivavy dimy hendry sy vehivavy dimy adala tamin'io andiany
io. Ary nitondra ny jirony ireo adala nefa tsy mba nitondra solitany
ho tehiriziny; ireo hendry kosa nefa nitondra solitany notehiriziny
niaraka taminy ho an'ny jirony. Nony nihemotra ny fahatongavan'ny
mpampakatra, niha-reraka daholo izy rehetra ka sondrian-tory.
Nony
tonga avy teo ny tamin'ny roa ambiny folo alina, injay nisy feo
niantso mafy hoe: " Indro manakaiky ny mpampakatra! Tonga ny fotoana
hitsenana azy. "
Vetivety
teo dia nitsangana ny virijina ka nanomboka nanamboatra ny jirony.
Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: " Mba omeo kely amin'ny solitany
notehirizinareo anie izahay, fa efa lany daholo ny tao anaty jironay.
"
"
Tsy afaka izahay," hoy ilay hendry " fa tsy ampy anay sy anareo
ny solitany aty aminay. Mandehana haingana, fohazy ny mpivarotra
solitany ary mividiana solitany ho tehirizinareo. "
Nefa
raha mbola lasa nitady solitany izy ireo, tonga ny mpampakatra;
ary niara-niditra taminy tao amin'ny fety fampakaram-bady ireo izay
rehetra vonona, ka dia nohidina ny varavarana.
Ary
fotoana lavalava taorian'izany, tafaverina ireo virijina hafa, ka
nanomboka niantsoantso hoe: " Tompo ô, Tompo ô avelao hiditra moa
izahay e. "
Fa
izao no nolazainy namaly azy: " Lazaiko marina aminareo, tsy fantatro
iza moa hianareo" 9
Sambatra
ny mpanompo izay ho hitan'ny Tompo vonona sy miandry ny fahatongavany
rehefa avy Izy, na amin'ny roa ambiny folo alina izany, na vao mangiran-dratsy.
Lazaiko marina aminareo fa hanaovany ny akanjo fitondrany amin'ny
fanasana, ka hanasa ny mpanompo sahala amin'izany hipetraka hiara-hisakafo
Aminy Izy, ary Izy mihitsy no hitsangana avy eo amin'ny fitoerany
handroso hanina ho azy ireo eo an-databatra tahaka ny ho an'ny vahiny
manan-kaja.! 10
Koa
mitandrema ary miambena hianareo; fa tsy fantatrareo na ny andro
na ny ora izay hiverenan'ny Zanak'Olona. Ary aoka hianareo hiaina
ny fiainanareo amin'ny fiomanana tsara, ny jironareo amin'izany
mirehitra mazava tsara: tahaka ireo mpanompo izay miandry eo am-baravarana,
mihaino ny fandondonan'ny Tompony, ary ho hita fa vonona sy liana
mialoha ny amin'izany rehefa miverina Izy. 11
Fa
ho moramora kokoa ny hahafoana ny tany sy ny lanitra noho ny tsy
hahatanterahan'ny ampahany iray monja amin'ireo teny ireo. 12
NY
TENY FIKASANA
Ity Taranaka
Ity 1. Marka 8:38, 2. Matio 12:39-42, 3. Matio 11:16-19, 4. Matio
12:34, 5. Matio 16:2,3, 6. Matio 11:28-30, 7. Matio 19:28
Fitoerana
Ho Anareo 1. Jaona 14:2, 2. Jaona 14:1-3, 3. Jaona 16:19,20, 4.
Jaona 16:21,22 Ny Teny
Fikasana
ny amin'ny Fanahy Masina 1. Jaona 6:63, 2. Jaona 14:15-17, 3. Jaona
14:18; 16:7-13, 4. Jaona 16:14,15, 5. Lioka 11:11-13, 6. Jaona 15:26;
14:26
Fanasana
ho amin'ny Fiainana 1. Jaona 3:16, 2. Lioka 14:16-24, 3. Jaona 5:24,25,28,29,
4. Jaona 17:3; 3:16; Matio 24:14 Ny Andro Farany 1. Matio 24:34,
2. Matio 21:33-39, 3. Lioka 13:34,35, 4. Lioka 19:42; 21:26, 5.
Matio 24:16-22, 6. Lioka 19:43,44, 7. Matio 24:2; Lioka 21:24, 8.
Lioka 21:9-11,25; Matio 24:7,8,12, 9. Matio 24:9; Lioka 21:36, 10.
Matio 24:32,33,36
Ilay Fiverenany
1. Matio 24:42, 2. Matio 24:4,5,11, 3. Matio 24:23-27, 4. Matio
24:30,31; 26:24; 16:27, 5. Matio 24:37-39, 6. Lioka 17:28-30, 7.
Lioka 21:34,35, 8. Lioka 10:24; Matio 24:40-44, 9. Matio 25:1-12,
10. Lioka 12:37,38, 11. Matio 25:13; Lioka 12:36,37, 12. Lioka 16:17