NY FAMPIANARANA VAOVAO
Na
iza na iza mandre ny teniko ka mankato azy dia hendry,sady manorina eo
amboniny fototra izay natao tamin'ny vato. 1
Latsaka
ny orana ary miakatra ny rano. Mamely ny trano ny rivotra mifofofofo,
fa mbola mijoro izy: satria naorina eo ambony vato mafy.
Fa izay
rehetra mandre ny teniko izay manome fiainana, ka mandā azy, dia manorina
fototra eo ambonin'ny fasika. Latsaka ny orana, miakatra ny rano. Mamely
ny trano ny rivotra mifofofofo, ary mianjera ny fototra. Mirodana ny trano,
ary mahatsiravina ny fianjerany. 2
Nisy
lehilahy roa niditra tao amin'ny tempoly mba hivavaka, ny iray mpiavonavona,
mpanamari-tena, ny iray indray mpamory hetra malaza amin'ny ny tsy fahamarinany.
Izao no vavaka nataon'ilay mpirehareha: " Misaotra Andriamanitra ô, fa
tsy mba mpanota tahaka ny hafa sasany aho, indrindra fa itsy mpamory hetra
mpamitaka izay hitako eo amin'ny zoron-trano itsy. Tsy mba namitaka mihitsy
aloha aho e, na nijangajanga. Mifady hanina in-droa isan-kerinandro aho,
ary omeko any amin'ny tempoly ny am-pahafolon'izay rehetra azoko.
"Fa
ilay mpamory hetra nijanona tery aoriana tery tao an-tempoly, ary tsy
nahasahy nampitraka ny masony any amin'ny lanitra raha nivavaka tamin'ny
alahelo izy hoe: " Andriamanitra ô, mba mamindrā fo amiko mpanota tsy
mendrika.
" Lazaiko
aminareo fa ilay mpamory hetra, izay nahafantatra fa nila ny famindrampon'Andriamanitra,
dia maivana ny fony niverina tany an-tranony, afaka tamin'ny ahiahy ary
voavela heloka. Fa ireo izay manandratra ny tenany ao anatin'ny avonavony
dia hampietrena, fa ireo izay manetry tena kosa dia hisandratra ambonin'ny
fanahian'izao tontolo izao, ho amin'ny toerana ahazahoany fitahiana sy
voninahitra.
Avelao
hanatona Ahy na dia ny ankizy kely aza, aza tazoninareo izy. Fa ny fanjakan'ny
lanitra dia an'ny fo matoky tahaka ny azy; fa raha tsy manana finoana
tahaka ny an'ny zazakely hianareo dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny
lanitra mihitsy. 3
Raha
misy olona mifidy ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra, ho fantany mora
foana raha avy amin'Andriamanitra ny fampianarako, na raha mitory ny hevitro
fotsiny Aho. Tsy avy Amiko ny fampianarako fa avy amin'Ilay naniraka Ahy.
4
Mivavaka
ao anatin'ny fahajambana izao tontolo izao. Farafaharatsiny amin'ny maha
Jiosy antsika, fantatsika izay ivavahantsika; ary koa ny famonjen'izao
tontolo izao dia nipoitra avy amintsika. Minoa Ahy: ho avy ny fotoana,
ary efa tonga sahady izany, izay tsy hihazakazahan'ny olona te-hivavaka
amin'Andriamanitra ho aty na ho ary, hitady ny toerana izay heverina misy
an'Andriamanitra, milaza hoe: " Aty Izy! Eto no tokony hivavaka isika.
"
Ny mpino
marina dia hivavaka amin'Andriamanitra amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.
Mitady ireo izay manolotra izany karazana fanatitra izany amin'ny vavaka
sy ny fiderana Andriamanitra Ray. Raha toa hianareo hijanona hangina dia
ny vato mihitsy no hiantsoantso. 5
Efa novakianareo
angamba fa raha noana ny Mpanjaka Davida sy ireo miaramilany, niditra
tao an-tempoly izy ireo ka nihinana ny mofo masina natokana ho an'ny mpisorona,
zavatra izay norāran'ny lalān'ny fivavahana.
Raha
toa hianareo mpianatra momban'ny lalān'ny Hebreo, dia ho fantatrareo fa
manitsaka ny Sabata ny mpisorona izay miasa ao amin'ny tempoly amin'ny
andro Sabata, kanefa tsy manan-tsiny no fiheverana azy amin'izany . Lazaiko
aminareo fa misy zavatra manan-danja lavitra noho ny lalān'ny tempoly.
Raha azonareo ny dikan'ilay soratra masina hoe: " Famindrampo no sitrako
fa tsy fanatitra alatsa-drā ", dia nitsahatra tsy nanameloka ny tsy manan-tsiny
hianareo . Fa ny Zanak'olona dia Tompon' ny andro, na ny Sabata koa aza.
Andao
anie atao hoe latsaka ao anaty hady amin'ny andro Sabata ny biby anankiray
izay ompinareo, moa tsy hanao izay azo atao rehetra ve hianareo hisintona
azy avy ao? Tsy mihoatra lavitra noho izany ve ny vidin'ny ainareo? Mandeha
ho azy aminareo ny fanaovana fotoana lavabe amin'ny Sabata ary ny fanarahana
litorjia amin'ny fomba fivavahana, koa nahoana aza no manakiana Ahy hianareo
raha manasitrana amin'ny andron'nyTompo Aho. Rahoviana vao hitsahatra
tsy hitsara amin'ny fijery ivelany fotsiny hianareo ka hanomboka hanao
fitsarana marina? Natao ho anareo ny Sabata. Fa tsy hianareo no natao
ho an'ny Sabata. 6
Tonga
amin'izao tontolo izao Aho mba hahiratra ny jamba, ary mba hahatonga ireo
mirehareha ny amin'ny fahiratany ho tonga saina fa tahaka ny inona marina
anie ny fahajamban' izy ireo.7
NY
FITAHIANA
Sambatra
izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka manaraka azy. 1
Raha
manao izany hianareo dia ho tahaka ilay mpanompo izay hita fa nanao ny
tsara rehefa tonga ny tompony.2
Sambatra
hianareo izay mametraka ny fitokisanareo rehetra amin'Andriamanitra, fa
anareo ny fanjakan'ny lanitra.
Sambatra
hianareo izay zatra amin'ny alahelo, fa homena fampiononona sy faherezana
hianareo.
Sambatra
hianareo izay manana ny fanetren-tena hiaiky izay zavatra ilainareo manokana,
fa ho anareo ny tany rehetra.
Sambatra
hianareo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho afa-po sy ho
vokisana hianareo.
Sambatra
hianareo izay mpamindrafo, fa hahazo famindrampo hianareo ho valin'izany.
Sambatra
hianareo izay madio am-po, fa hahita an'Andriamanitra hianareo.
Sambatra
hianareo izay mpampihavana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra hianareo.
Sambatra
hianareo izay mikatsaka famonjena, fa ho tonga mponin'ny fanjakan'Andriamanitra
hianareo.
Sambatra
hianareo raha mijaly noho ny soketa sy ny fitenenan-dratsy ataon'ny olona
anareo noho ny fanaovana ny sitrapoko. Mifalia, ary mibitaha amin'ny fifaliana,
fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa tahaka izany koa no nanenjehany
ireo mpilaza ny marina malaza tamin'ny andro taloha. 3
Vao maika
sambatra kokoa aza hianareo izay mino nefa tsy nahita Ahy, ary mitana
ny finoanareo Ahy; sambatra ny masonareo fa mahita marina tokoa sy ny
sofinareo fa mahare marina tokoa. 4
Manatona,
hianareo rehetra izay notahian'ny Ray, mandovā ny fanjakana izay namboarina
ho anareo hatramin'ny fanorenana an'izao tontolo izao. 5
NY
HERIN'NY VAVAKA
Hatramin'izao
mbola tsy nangataka na inona na inona amin'ny anarako hianareo, mangataha,
dia hahazo hianareo, ka ho feno ny fifalianareo. 1
Mankany
any amin'ny tranon'ny namanao amin'ny roa ambiny folo alina hianao, ary
milaza izao: " Ampindramo mofo telo aho. Manam-bahiny aho, nandeha avy
lavitra izy mba hamangy ahy, nefa tsy misy na inona na inona intsony ny
fitehirizan-tsakafo ao aminay.
" Ary
izao no valiny ho azonao: " Aza manelingelin'ahy amin'izao fotoana izao,
azafady. Mihidy lakile ny varavarana, ary matory ny zanako. Tsy afaka
mitsangana hanampy anao aho. " Lazaiko aminao, na dia tsy hitsangana aza
izany namanao izany hanome mofo anao noho ny fisakaizanareo, dia farany
izy hanaiky noho ny hamafisan'ny kirinao ka hitsangana hanome anao izay
mofo rehetra ilainao.
Koa tohizo
foana: mangataha, dia homena hianareo. Mitadiava dia hahita hianareo.
Dondony dia ho vohaina varavarana hianareo. Fa izay rehetra mangataka
dia hahazo, ireo izay mitady dia hahita, ary ho an'ireo izay mandondona,
hovohaina midanadana ny varavarana. 2
Tany
amin'ny tanāna iray izay, nisy mpitsara mafy fo nipetraka, izay sady tsy
natahotra an'Andriamanitra no tsy niraharaha ny mpifanolo-bodirindrina
taminy. Nisy vehivavy mpitondra-tena izay nipetraka tamin'io tanāna io
koa, ary tsy nitsahatra ny nandaha-teny taminy mba hahazaoany ny rariny
mikasika ny olona iray izay nampahory azy. Nodian'ilay mpitsara tsy fantatra
izy nandritra ny fotoana lava, ary nandā ny hihaino ny fitarainany izy.
Farany anefa hoy izy tamin'ny tenany ihany:
" Na
dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho, ary tsy misy hiraharahiako
ny amin'izay fiantrana, ataoko izay hahazoan'ity mpitondran-tena ity ny
rariny; satria mandreraka ahy izy amin'ny fitarainany tsy misy farany.
"
Moa tsy
hanome ny rariny ho an'ny olom-boafidiny, izay mitaraindraina Aminy andro
aman'alina ve Andriamanitra? Hianao ve dia mieritreritra fa hanosika azy
ireo Izy? Lazaiko aminareo: ataony izay hahazoan'izy ireo rariny, ary
haingana! Kanefa izao no tena fanontaniana mipetraka ao anatin'ity tantara
ity: " Rehefa miverina Aho, ilay Mesia, mba hahita olona maro eto ambonin'ny
tany manana faharetana amin'ny finoana tahak'izany ve Aho? 3
Tsy miteny
Aho akory fa tokony avelanareo ho latsaka anatin'ny lasitry ny fiverimberenana
tsy misy dikany ny vavakareo. Izany no fivavakin'ny jentilisa, mieritreritra
izy fa ho heno noho ny habetsaky ny vavaka ataony. Tsy tokony haka tahaka
azy hianareo. Tsarovy fa fantatry ny Rainareo izay any an-danitra izay
ilainareo na dia mbola tsy mangataka aza hianareo. 4
Nosoratan'i
Isaia mpaminany hoe: " Fa ny Tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny
firenena rehetra. "5
Mivavaha
ary amin'ny Ray, izay mihaino ny vavaka farany izay mangingina indrindra
ataonareo manokana ka hamalisoa izany am-pahibemaso; ary na inona na inona
angatahinareo amin'ny Ray amin'ny anarako, hanome izany Izy. Raha ao Amiko
no iainanareo ny fiainanareo, ka avelanareo hitoetra ao am-ponareo ny
Teniko, angataho izay irinareo, fa homena anareo izany. 6
Sahala
amin'izao atao rehefa mivavaka: Rainay izay any an-danitra, aoka heken'ny
tany rehetra fa Hianao irery no Andriamanitra masina.
Aoka
ho tonga hitoetra aty aminay ny fanjakanao, ary hatao ny sitraponao ety
an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo
anay ny mofo amin'ity andro ity mba hanohana anay, ary mamelā ny helokay,
tahaka ny amelanay ireo izay nanao heloka taminay.
Arovy
amin'ny fandehanana any amin'ny fakam-panahy izahay, ary afaho amin'ilay
ratsy.
Fa Anao
ny hery, sy ny voninahitra rehetra, mandrakizay. Ho tanteraka anie izany.
7
NY
HARENA ANY AN-DANITRA
Iaino
ny fiainanareo amin'ny fanaovana amin'ny hafa izay mba tianareo hataony
aminareo.1
Indray
andro izay nisy lehilahy mpanan-karena iray izay niakanjo volomparasy
sy lamba rongony madinika tsara tarehy ary miaina ao anatin'ny fiohampampana.
Tamin'io
tanāna io ihany nisy lehilahy tsy nanan-trano antsoina hoe Lazarosy izay
nipetraka teo am-bavahady izay mankany amin'ny tranon'ilay mpanan-karena.
Tsy mangataka izy, fa ny sombitsombiny izay latsaka avy amin'ny latabatr'ilay
mpanan-karena ihany. Ny alika eny an-dalam-be ihany no mba namany, ary
ireo no mijerijery azy.
Farany
maty Lazarosy indray andro izay ary nentin'ny anjely eny an-tsandrin'i
Abrahama. Tsy ela taorian'izay maty koa ilay mpanan-karena ary nalevina.
Nanopy
ny masony feno fijaliana hiakatra izy raha tao anaty afo be , ary nahita
an'i Abrahama tery lavitra tery, sy Lazarosy eo an-tsandriny. Niantsoantso
mafy tamin'ny heriny rehetra izy hoe: " Abrahama ô, mamindra fo amiko,mba
iraho ilay mpangataka Lazarosy. Asaivo hatsobony anaty rano ny lohan'ny
fanondrony mba hampangatsiahahiny ny lelako, fa tena mijaly mafy aho ato
anatin'ireto lelafo ireto."
Namaly
azy i Abrahama hoe: " Tsarovy anaka, nanana ny zava-tsoa rehetra hianao
tamin'ny androm-piainanao, Lazarosy anefa tsy mba nahalala afa-tsy fahoriana.
Ankoatr'izay misy hantsana be mampisaraka antsika, mba tsy hahafahan'izay
aty am-pita aty mankany aminareo ary tsy hahafahanareo koa miampita avy
any mankaty aminay. "
Nony
nandre izany ilay mpanan-karena dia nitomany: " Mba mitalaho ary aho ny
handefasanao an'i Lazarosy ho any an-tranon-draiko. Manana rahalahy dimy
aho ka tsy maintsy ilazany mialoha izy ireo, mba tsy amin'ity afo be ity
koa no hiafarany. "
Izao
no navalin'i Abrahama an'izany: " Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy.
Aoka izy hihaino an'ireo. "
"Fa izao
anie e," hoy ilay mpanan-karena mandahatra, "tena azo antoka fa hibebaka
izy ireo raha misy olona iray avy amin'ny maty mankany aminy. "
Hoy Abrahama
namaly: " Raha tsy mibebaka noho ny tenin'i Mosesy sy ny mpaminany izy
dia tsy ho resy lahatra na dia hisy olona hitsangana amin'ny maty hampitandrina
azy aza. " 2
Tsy fahalalahan-tānana
akory ny manome ho an'ireo izay afaka mamerina mora foana ny volanao.
Na dia ny mahihitra aza hampindram-bola raha toa azony antoka fa ho voaverina
daholo izany. Raha amiko dia izao: omeo ilay olona manatona anao fa tena
misy maha tery azy, nefa tsy afaka hamerina ny volanao; ary aoka hianao
hamindra fo, na dia misoloky anao aza izany olona izany. 3
Rehefa
ny mahantra no manome dia manao lavitra noho ny mpanome manan-karena rehetra
mitambatra izay manome izy satria manam-be. Fa ny mahantra dia manome
avy amin'izay tena ilainy ary avy amin'ny fitiavana mazāna no anomezany
izay tsy azony nampirimina.4
Ahoana
ny hahasarotry ny fidiran'ny tia vola ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!
Moramora kokoa ho an'ny rameva ny misisika ao amin'ny vody fanjaitra,
noho ny hidiran'ny mpanan-karena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Kanefa,
izay zavatra tsy hain'olombelona atao dia mihoatra noho ny azo atao raha
amin'Andriamanitra. 5
Aza manangona
harena ety ambonin'ny tany izay misy koroka sy harafesina manimba, ary
izay misy jiolahy mamaky trano sy mangalatra. Fa angony any an-danitra
ny harenanareo, izay tsy misy koroka na harafesina manimba azy ary tsy
misy atahorana fa hisy mpangalatra na fihenan'ny sandambidiny. Fa izay
misy ny harenareo dia ho any koa ny fonareo.6
Misy
ny sasany tsy manao ny tsara raha tsy azony antoka fa ankasitrahan'ny
olona mijery azy izy. Tsy mba hahazo valisoa avy amin'ny Rainareo izay
any an-danitra izy ireny. Rehefa manome hianareo aza mba tahaka ny mpihatsaravelatsihy
izay mampaneno lakolosy ao an-tempoly sy eny amin'ny arabe. Efa nahazo
ny valisoany ny olona tahaka ireny.7
Aza
avela ho fantatry ny tānanao havia akory izay ataon'ny tānanao ankavanana.
Manomeza mangina ary any amin'ny miafina; fa hamalisoa anao eo imason'ny
olona rehetra ny Rainao izay any an-danitra izay mahita ny zavatra tahak'izany.8
Mianara
manome fa haverina be dia be aminareo mihoatra noho izay heverinareo izany,
hampitomboina ary hitobaka be. Ary izay fatra hizaranareo amin'ny fahalalahan-tānanareo
ihany no hahazoanareo ho famarana ny valisoa azonareo ho valiny.9
Indray
andro izay niodina ny petra-bola nataon'ny lehilahy mpaman-karena iray
ka niverina lasa nahazohany tombony be . Raha nieritreritra ny hareny
izy dia hoy izy tao an-tsainy: " Inona re no hataoko amin'ireo tombony
azoko e? ". Ary tonga tamin'izao fanapahan-kevitra izao izy: " Ho ravāko
ireo tranoko efa antitra ireo dia hanorina lehibe noho ireo aho; dia hampirimiko
ao daholo ny harenako rehetra ary holaniko ao ny tombony azoko. Ho afa-po
aho no sady hanana harena izay haharitra taona maro. Holaniko amin'izay
hazahoako aina ny androko, hihinana aho, hisotro ary hifaly.
" Fa
hoy Andriamanitra taminy: " Ry adala! Tsy fantatrao angaha fa ho takina
aminao anio alina ny fanahinao! Rehefa lasa hianao, ho an'iza ireo zavatra
rehetra ireo?.
" Sahala
amin' izany no hanjo an'ireo izay mitahiry harena ho an'ny tenany, fa
tsy manan-karena amin'ny zavatra izay an'Andriamanitra. Inona moa ny tombotsoa
raha mahazo izay rehetra azon' izao tontolo izao atolotra anao hianao,
raha amin'ny fanaovanao izany no hahaverezanao ny fanahinao? Ary inona
no homenao ho takalon'ny fanahinao, na ny toeranao any amin'ny fanjakana?.
10
FINOANA
MAHAFINDRA TENDROMBOHITRA
Arakarak'
izay finoanao, no ho raisinao koa.1
Maro
no ho tonga amin'ny andro farany avy amin'ny vazan-tany rehetra, ary hiditra
amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa ny mpanamarin-tena sy ny mpivavaka, izay
nieritreritra fa izy no ho voalohany, nefa niaina tamin'ny fiainana tsy
misy finoana, dia tsy ho tafiditra ao. 2
Raha
misy roa mifanaiky ety an-tany, amin'ny finoana, na amin'inona na amin'inona
izany dia ho tanterahin'ny Raiko izay any an-danitra ny fangatahany. Fa
na aiza na aiza no misy roa na telo mivory amin'ny anarako, dia miaraka
aminy Aho. 3
Hanaraka
anareo izay mino ireto famantarana ireto: Handroaka demonia amin'ny anarako
hianareo ary hiteny amin'ny fiteny vaovao. Tsy haninona anareo ny bibilava
na ny zavatra mahafaty. Hametra-tānana amin'ny marary hianareo ary ho
sitrana izy.4
Raha
mitafy finoana kely tahaka ny voatsinampy hianareo dia hiteny amin'ny
tendrombohitra hoe: "Mikisaha ary mianjera any amin'ny ranomasina."
Raha
mino hianareo fa azo atao izany sady tsy manisy toerana ho an'ny fisalasalana,
dia ho tanteraka izay angatahinareo sy izay baikonareo. Izany no hitenenako
aminareo hoe: na inona na inona irinareo, rehefa mivavaka hianareo minoa
fa ho azonareo izany, ary dia ho azonareo.5
Amin'ny
fitarihin'ny Fanahy Masina anareo, ny zavatra toherinareo ety an-tany
dia hatrehin'ny hery any an-danitra: ary na inona na inona avelanareo
ety an-tany dia ho tanteraka anie izany araka ny planin'Andriamanitra
any an-danitra.6
Aza matahotra
intsony fa minoa. Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino atao.7
FAHARETANA,
FAMINDRAM-PO ARY FAMELAN-KELOKA
Rehefa
kely ny heloka navela dia kely koa ny fitiavana havaly.1
Misy
lehilahy iray izay nandinika ny kaontim-bolan'ny olom-pantany anankiroa
izay nindrana vola taminy. Ny iray nanānany farantsa volamena diman-jato,
ary ny iray kosa dimam-polo. Satria fantany fa samy tsy manana hamerenana
izy roa lahy ireo,dia nangoraka izy ka namela ny trosan'izy roa lahy.
Iza amin'ireo lehilahy roa ireo no heverinareo fa nampiseho fankasitrahana
azy be indrindra?2
Sahala
amin'izany koa, tonga ny fotoana handinihan'ny mpanjaka iray ny tatitra
nomena azy sy ny kaontim-bolany.Teo am-panaovana izany izy no nentina
teo anatrehany ny iray amin'ireo mpanompony izay nanānany vola tsy toko
tsy forohana mitentina farantsa volamena iray alina!
Satria
tsy afaka ny hanefa trosa toy izany ilay mpanompo, dia nijery ny lalāna
ilay mpanjaka: voalaza fa ny olona ananana vola sy ny ankohonany dia hamidy
ho andevo, ary ny tranony sy ny fananany dia ho raisina atao lavanty amin'ny
olona rehetra.
Nandohalika
tamin'ny alahelo teo anatrehan'ny mpanjaka ilay mpanompo sady nitomany
hoe: "Tompoko sy Mpanjakako ô, miangavy anao aho mba hanana faharetana
amiko, fa aloako aminao izy rehetra."
Tohina
mafy ilay mpanjaka ka namela ilay trosa, ary navelany nandeha malalaka
ilay mpanompo.
Teny
an-dālana mody, nifanena tamin'ny namany izay nanānany vola madinika vitsivitsy
ilay mpanompo teo. Tsy mba nampiseho famindram-po izy kanefa fa noraisiny
tamin'ny vozony ilay namany sady nanomboka nitrerona izy hoe: "Avereno
ny vola nindramaminao tamiko."
Niantoraka
teo an-tongony ilay namany sady nitalaho hoe: "Azafady indrindra anie
mba mahareta amiko fa aloako daholo na hatramin'ny iraim-bilanja aza."
Fa angaha
nihaino izany ilay mpanompo, fa nasainy natsipy tany an-trano maizina
ilay rangahy mandra-pandoany ny trosany rehetra araky ny lalāna.
Sendra
nahita ny zavatra nitranga teo ny sasany amin'ny mpanompon'ny mpanjaka
ka nitatitra izany tany amin'ny rova.
Naniraka
niantso an'ilay mpanompo ny mpanjaka ary nilaza taminy hoe: " Hianao ity
dia mpanompo ratsy fanahy. Navelako ny trosa tsy voaloanao satria izany
no nangatahinao tamiko. Tsy mba afaka namindra fo tamin'ilay namanao izay
nanānanao vola tsy misy dikany sahala amin'izany ve hianao?"
Rehefa
nilaza izany izy dia natolotr'ilay mpanjaka tamin'ny mpiandry trano maizina
ilay mpanompo ary nomeny baiko ireo mba hanidy azy mandra-pandoany ny
trosany rehetra.
Sahala
amin'izany no hitsaran'ny Ray any an-danitra anareo, raha mandā ny hamela
ny heloky ny rahalahinareo sy ny anabavinareo avy amin'ny halalin'ny fonareo
hianareo.3
Aoka
hianareo tsy ho vonona ny hamela impito ihany, fa impito amby fito-polo.
Mihavāna na dia amin'ny fahavalonareo aza. Tsy hitondra anareo afa tsy
amin'ny fasahiranana lehibe kokoa ny fiadiana lava: fitorina, fitsarana,
ary angamba fandehanana any an-trano maizina, ary tsy misy lālana amahana
ilay fanamelohana afa tsy amin'ny fanefana ny sazinareo.4
Tadidinareo
ve ilay fitenenana hoe: Maso solon'ny maso, ary nify solon'ny nify? Ny
mifanohitra amin'izany no lazaiko. Raha misy mamely tehamaina anareo amin'ny
takolakareo ankavanana, atolory azy koa ny ankavia; na raha misy mitory
anareo ka maka ny palitaonareo, atolory ho azy koa ilay lobaka eny an-koditrareo.
Raha misy olona mampandeha anareo maily iray, maneke handeha roa. Manomeza
maimaim-poana ho an'ireo izay mangataka aminareo, ary aza mba mody marenina
mihitsy amin'izay manatona anareo ao anaty fasahiranany.5
Rehefa
mitsangana eo amin'ny fitoerana fanaovana vavaka fitsaohana hianareo,
ataovy amin'ny fo feno famelan-keloka izany, tahaka ny nanoloran'ny Ray
any an-danitra famelan-keloka ho anareo. Ary raha hitondra fanatitra amin'ny
toerana fivavahana hianareo, ka eo hianareo vao mahatsiaro fa nisy fifandirana
tsy voalamina taminareo sy ilay olona iray, avelao eo amin'ny alitara
ny fanatitrareo. Mandehana aloha mihavana amin'izany olona izany, avy
eo miverena ary atolory ny fanatitrareo. Raha misy rahalahy manisy ratsy
anareo, mandehana miresaka aminy momba izany mangingina. Raha mihaino
anao izy dia nahazo namana hianareo.6
Tadiavo
ny famelan-keloka amin'ny heloka nataon'ny olona taminareo fa hitobaka
amin'ny fiainanareo ny famindrampo sy ny fahasoavana.7
NY
AMIN'NY FIAINANA MAMOA VOA
Amin'ny
voa izay mitombo amin'ny fiainany no halalanareo ny olona.1
Hianareo
no siran'ny tany. Kanefa raha ny sira no nanary ny fahafahany hanadio,
hanome tsiro sy hitahiry, ahoana no anaovana azy sira indray? Tsy misy
ilaina azy, afa -tsy ny hariana sy hitsahana ambany faladia.
Hianareo
ve mioty voaloboka amin'ny tsilo, na voan'aviavy amin'ny songosongo? Tsy
afaka mamoa voa tsy salama ny hazo salama tsara iray; ary ny hazo lo koa
tsy afaka mamoa voa salama. Sahala amin'izany koa ny hazo tsara rehetra
dia mamokatra voa tsara, ary ny hazo lo rehetra mamokatra voa lo. Ny hazo
rehetra izay mamoa voa lo dia tapahina ary ampiasaina hanaovana hazo ampirehetana
afo.
Amin'ny
voa eo amin' ny fiainan'ny olona, no hafantaranareo ny karazam-piainana
nofidiny hiainana.2
Indray
mandeha izay, nisy olona namboly aviavy tao anatin'ny tanim-boalobony.
Niandry izy nandritry ny telo taona ny hamoazan'izany kanjo tsy nisy.
Farany izao no nolazainy tamin' ilay lehibe mpikarakara ny sahany: "Telo
taona aho izao no tonga teto, isan-taona manantena hahita voa amin'ity
aviavy ity; kanefa mbola tsy mamoa foana izy. Nahoana ary izy io no tokony
hibahana be eo amin'ny taniko? Tapaho any io."
Fa namaly
ilay mpikarakara ny saha hoe: "Avelao taona iray indray izy, mandra-pahafahako
mihady manodidina azy sy manisy zezika azy bebe kokoa. Angamba izy hamoa
amin'izay; raha tsy izany, dia marina ny anao ny amin'ny hikapana azy."3
Rehefa
mamoa voa ny fiainanareo dia omen-boninahitra ny Ray, ary tena mpianatro
hianareo. Satria ny olona tsara dia mamoaka ny tsara avy amin'ny tsara
izay voatahiry ao anatiny; fa ny olona ratsy kosa, avy amin'ny ratsy ao
anatiny no amoahany fiainana poak' aty sady tsy misy voany.4
Nisy
mpamboly iray izay nankany an-tsaha hamafy. Raha namafy izy, latsaka tamin'ny
sisin-dālana ny voa sasany; tonga nitangorona teo ny vorona ka nohaniny
ilay izy. Nianjera tamin'ny toerana be karaobato izay tsy misy tany loatra
ny sasany amin'ilay voa. Naniry haingana teo amin'ilay tany marivo izy;
kanefa, satria tsy lalim-paka, dia nodoran'ny masoandro ka maina. Nianjera
tany amin'ny lobolobo tsilo ny sasany amin'ilay voa; naniry ny tsilo ka
nanempotra azy.
Fa nianjera
tamin'ny tany tsara kosa ny sasany amin'ilay voa, ary nanonitra ny voa
very ireo, namokatra vokatra tsara; ny sasany nitombo zato heny, ny sasany
enim-polo, ary ny sasany telo-polo.
Rehefa
mandre ny tenin'ny fanjakana ny olona iray ka tsy mahazo azy , dia tonga
ny fahavalo ka mangalatra ny voa izay nambolena tao anatin'ny fony. Izay
ny amin'ilay voa latsaka teny amin'ny sisin'ny arabe.
Ny voa
izay naparitaka teny amin'ny tany misy karaobato indray, dia manambara
ireo izay mandre ny tenin'Andriamanitra, ary liana mandray azy, kanefa
tsy misy fakany amin'ny fandresehan-dahatra ao anaty. Maharitra fotoana
kely ny iainany ilay teny; fa rehefa tonga ny korontana na ny fanenjehana
vokatry ny fanapahany hevitra hanaraka ny tenin'ny fahamarinana, manjary
ketraka izy ka mitsoaka.
Ny voa
izay nafafy tamin'ny tsilo dia milaza ireo izay nandre ny teny, kanefa
mamela ny ahiahin'ity izao tontolo izao ity sy ny fitaky ny harena hitambesatra
aminy. Voatototra ny teny ka manjary tsy mamoa vokatra ny fiainany.
Ny voa
izay nafafy amin'ny tany tsara dia milaza ireo izay mandre ny teny ary
mahazo ny hafatra omeny. Hamokatra vokatra be arak'ilay izy ny fiainany:
zato, enim-polo, na telo-polo heny ilay tsara nambolena.5
FAHASALAMANA
ARY FANASITRANANA HO AN'NY VATANA SY NY FANAHY
Ireo
izay salama tsy mila dokotera; fa ireo izay marary no mila.1
Tokony
ho azonareo izao: famindrampo no iriko, fa tsy fanatitra. Fa tsy tonga
hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota ho amin'ny fibebahana. Tsy tokony
afahana ve ny marary amin'ny vatany izay nafatotry ny devoly?2
Mora
kokoa ve ny milaza hoe: "Voavela ny helokao," sa, " Mitsangāna ary aoka
hianao ho sitrana"?
Mha hahalalanareo,
tsy misy aloky ny fisalasalana akory amin'izany, fa ny Zanak'Olona manana
fahefana ety an-tany hamela heloka, hoy Izaho amin'ilay marary hoe: "Mitsangana!
Mahereza; voavela ny helokao. Mandehana tohizo ny lalānao; tahaka ny ninoanao
no ho raisinao. Ny finoanao no nahasitrana anao!4
Mpiandry
ondry iza no manana ondry zato ka very ny iray, no tsy handao ny sivy
amby sivy folo miraoka ahitra tsy manana ahiahy, ary handeha hitady ilay
iray izay very? Rehefa hitany ilay ondry very, tsy hasampiny eo an-tsorony
ve izany, ny fony feno fifaliana? Amin'ny lalāna mody hiantso ny namany
sy ny mpifanolo-body rindrina aminy izy hilaza hoe: "Mifalia miaraka amiko.
Efa hitako ilay ondriko very."
Lazaiko
anareo izany tantara izany: misy fifaliana lehibe kokoa any an-danitra
ny amin'ny olona iray izay mibebaka, noho ny amin'ny olona sivy amby sivy
folo izay tsy mila fibebahana.4
Iza aminareo,
raha manana farantsa volafotsy folo ka very ny iray, no tsy mampirehitra
labozia, ka mitandrina tsara mamafa trano mitady azy mandra-pahitany azy?
Rehefa
farany hitanao izy, dia antsoinao ny namanao sy mpifanolo-body rindrina
hiaraka, sady izao no holazainao: Mifalia miaraka amiko; fa efa hitako
ilay farantsa very.
Sahala
amin'izany koa, lazaiko aminareo, misy fifaliana lehibe eo anatrehan'ny
anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota, na dia iray ihany aza mibebaka.5
IREO FAMPIANARANA
LEHIBE
Ny Fampianarana
Vaovao 1,2. Matio 7:24-27, 3. Lioka 18:10-14,16,17, 4. Jaona 7:17,16,
5. Jaona 4:21-24; Lioka 19:40, 6. Matio 12:3-12; Jaona 7:23,24, 7. Jaona
9:39
Ny Fitahiana 1,2.
Lioka 11:28; Matio 24:46, 3. Matio 5:3-12, 4. Jaona 20:29; Matio 13:16,
5. Matio 25:34
Ny Herin'ny Vavaka
1. Jaona 16:24, 2. Lioka 11:5-10, 3. Lioka 18:2-8, 4. Matio 6:7,8, 5.
Matio 21:13; Isaia 56:7, 6. Matio 6:6; Marka 11:24; Jaona 15:16,7
Ny Harena Any an-Danitra
1. Lioka 6:31, 2. Lioka 16:19-31, 3. Lioka 6:34,30, 4. Marka 12:43,44,
5. Marka 10:24,25,27, 6. Matio 6:19-21, 7. Matio 6:1,2, 8. Matio 6:3,4,
9. Lioka 6:38, 10. Lioka 12:16-21; Matio 16:26
Finoana Mahafindra
Tendrombohitra 1. Matio 9:29, 2. Matio 8:11,12, 3. Matio 18:19,20, 4.
Marka 16:17,18, 5. Matio 17:20; Marka 11:24, 6. Matio 18:18, 7. Marka
5:36; 9:23
Faharetana Famindram-po
ary Famelan-keloka 1. Lioka 7:47, 2. Lioka 7:41,42, 3. Matio 18:23-35,
4. Matio 18:22; 5:25, 5. Matio 5:38-42, 6. Marka 11:25; 5:23,24, 7. Matio
6:14
Ny Amin'ny Fiainana
Mamoa Voa 1. Matio 7:16, 2. Matio 5:13; 7:17-20, 3. Lioka 13:6-9, 4. Jaona
15:8; Matio 12:35, 5. Matio 13:3-8, 18-23
Fahasalamana ary
Fanasitranana Ho an'ny Vatana sy ny Fanahy 1,2. Matio 9:12,13; Hosea 6:6;
Lioka 13:16, 3. Matio 9:5; 6:2; 8:13; Lioka 8:48, 4. Lioka 15:4-7, 5.
Lioka 15:8-10
|