Tsy
hianareo no nifidy Ahy. Izaho
no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hitondra voa
tsara ao amin'ny fiainanareo, voa izay haharitra.1
Nisy
lehilahy iray izay nanan-janaka lahy roa. Hoy izy tamin'ilay zokiny:
" Mandehana anaka miasa any amin'ny tanim-boaloboko anio."
"Tsy
handeha aho," hoy ilay zanany; kanjo taty aoriana dia nisy fiovam-po
teo aminy, ary nandeha niasa tany an-tsaha izy.
Avy teo niteny tamin'ilay zanany faralahy ny rainy: "Hianao koa
mandehana any an-tsaha."
Tonga
dia namaly izy hoe: "Handeha aho." Nefa nijanona tao an-trano izy,
ary tsy noraharahahiany ny baikon'ny rainy.
Iza
amin'ireo zanaka roa ireo no nahatanteraka ny baikon'ny rainy?
Nahoana
no hataonareo hoe tsara Aho, raha tsy mino hianareo fa izaho no
Andrimanitra? Fantatrareo ny didy: Aza mijangajanga; Aza mamono
olona; Aza mangalatra; Aza mijoro vavolombelona mandainga; Hajao
ny rainao sy ny reninao. Ataovy izany, dia hahazo harena any an-
danitra hianareo. Kanefa ity no mampianjera anareo dia ny fanajana
Ahy amin'ny teninareo fotsiny ihany, fa tsy amin'ny fampiasana ny
zava-drehetra - dia ny harenanareo sy ny fanānanareo, ary ny fiainanareo
- mba hanampiana ireo izay sahirana.2
Raha
maniry ny hanaraka Ahy hianareo, dia tsy maintsy avelanareo ny filānareo
sy ny fomba fiainanareo feno fitiavan-tena. Afoizo izany ary manaraha
Ahy. Fa ireo izay maniry hanana fiainana mandrakizay dia tsy maintsy
mamela ny fiainany taloha. Izay rehetra manao izany ho Ahy no hahita
fiainam-baovao - sady ety an-tany no any an-danitra.3
Indray
mandeha izay, nisy mpanjaka nikarakara fanasana ho an'ny fanambadian'ny
zanany, ilay zanak'andriana. Rehefa vonona daholo ny zavatra rehetra,
naniraka ireo mpanompony ho any amin'ny faritany ivelan'ny fanjakany
izy mba hampiantso ireo izay nasaina ho amin'ilay fanasana, kanefa
nandā ny ho avy ireo vahiny.
Naniraka
ny mpanompony ary ilay mpanjaka nilaza hoe: "Lazao amin'ireo izay
nasaina amin'ilay fanasana, fa nanomana sakafo lehibe aho. Novonoina
ny ombiko sy ny zanak'ombiko tsara indrindra, ary efa vonona daholo
ny zavatra rehetra. Tongava amin'ilay fanambadiana."
Kanefa
nohamaivanin'ny vahoaka koa ity fanasana ity, ary niverina tany
amin'ny asany ry zareo, ny sasany any amin'ny sahany, ny sasany
hafa any amin'ny raharahany any amin'ny tanān- dehibe. Nosamborin'ireo
izay nitaredretra taty aoriana ny mpanompon'ny mpanjaka ka novonoiny
ho faty.
Nisafaoka
noho ny hatezerana ilay mpanjaka rehefa nahare ny zavatra nitranga.
Naniraka miaramila avy amin'ny lapany izy. Azon'izy ireo ilay mpamono
olona, novonoiny ary nodorany ho fongotra ny tranony.
Hoy
izy avy eo tamin'ny mpanompony: "Vonona ny fanambadiana, fa tsy
mendrika ny hanatrika izany ireo izay nasaina. Mandehana ary, any
amin'ireo olona izay hitanareo eny an-tsisin- dālana sy eny amin'ny
lālana ivelan'ny tanāna, ary asao izy ho tonga amin'ny fanasana
amin'ny fampakaram-bady."
Lasa
nankany amin'ny sisin-dalan'ny tanāna āry ny mpanompon'ilay mpanjaka,
ary avy eo teny ivelany nanaraka ny lālana lehibe, ary nanasa izay
rehetra nifanena taminy, na ny tsara na ny ratsy; ary dia fenon'ireo
vahiny ireo ny efitrano malalaka hanaovana ilay fanasana amin'ny
fampakaram- bady."
Niditra
ny mpanjaka ny harivan'iny mba hijery ny vahininy. Tafintohina izy
nahita olona iray mihinana eo amin'ny latabatra nefa tsy nanao ilay
akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady izay efa nomena. Nanontany
izy hoe: "Nahoana hianao no tonga amin'ity fety ity nefa hianao
tsy manao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady?" Fa tsy nahita
havaly ilay lehilahy.
Hoy
ilay mpanjaka avy eo tamin'ny mpanompony: "Afatory io lehilahy io
ary esory eo izy." Hampiako an'izao: maro no nantsoina- ho any amin'ny
fanjakana - fa vitsy no voafidy. Efa tonga ny fotoana. Efa vonona
ny fanjakan'Andriamanitra. Niantso anareo hiala amin'ny fomba fiainan'izao
tontolo izao Aho. Mibebaha, anaovy ny akanjon'ny famonjena, ary
minoa an'ity vaovao mahafaly ity.4
Tsy
misy olona afaka mankaty Amiko, raha tsy ny Ray izay naniraka Ahy
no nisintona azy; ary hanangana izany olona izany Aho amin'ny andro
farany. Hianareo rehetra izay nomen'ny Ray Ahy dia hanatona Ahy:
ary na iza na iza manatona Ahy, dia tsy ho laviko mihitsy, na oviana
na oviana.5
Satria
efa nolazaiko anareo ny zavatra toy izany, mino ve hianareo? Marina
tokoa, mbola hahita zavatra lehibe lavitra noho ireny hianareo.6
Noho
izany midira ary amin'ilay vavahady tery; fa malalaka ny lālana,
midadasika ny arabe mitondra any amin'ny fandringanana, ary be dia
be ny mandeha amin'iny lālana iny; fa tery ny vavahady sy ny lālana
izay mitondra any amin'ny fiainana, ary vitsy no mahita azy . Miezaha
handeha any amin'ny vavahady izay mitondra any amin'ny fiainana.
Indray andro, any, be ny olona te-hiova lālana tampoka ho any amin'ny
lālana marina, kanefa ho tara loatra.7
NY
AMIN'NY FAHATERAHANA FANINDROANY INDRAY
Aza
gaga raha miteny Aho fa tsy maintsy hateraka indray hianareo.1
Marina
tokoa, nilaza an'izany taminareo Aho: raha tsy ateraka indray hianareo,
tsy afaka mahita ny fanjakan'Andriamanitra. Raha tsy ateraka amin'ny
rano sy ny Fanahy Masina hianareo, tsy afaka hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.2
Izay
nateraka tamin'ny nofo dia nofo, ary izay nateraka tamin'ny Fanahy
dia fanahy. Mitsoka eny amin'izay tiany hitsofana ny rivotra, ary
henotsika ny feo ataony; fa tsy haintsika ny milaza avy aiza no
nihaviany, na aiza no halehany. Ary sahala amin'izany ny amin'izay
rehetra nateraky ny Fanahy.3
Diniho
ireto ohatra ireto: Tsy misy manjaitra tapa-damba vaovao iray hanapenana
akanjo tonta rovidrovitra, satria handrovitra ilay lamba tonta ilay
vaovao napetaka taminy, ary vao maika hitatra ilay rovitra. Na koa,
mametraka divay vaovao ao anaty barikan-divay antitra. Mety ho vaky
ilay barika antitra, ho raraka ny divay vaovao, ary ho very ny fihariana.
Fa izao no izy, ataovy anaty barika vaovao ny divay vaovao, amin'izay
samy voatahiry izy roa.4
Ahoana
ary ny amin'izany, manoloana ny fianarana be nataonareo no mbola
tsy zatra ny tena fototry ny marina ihany hianareo? Raha niteny
zavatra sahala amin'izany taminareo Aho, dia nampiasa ohatra ety
an-tany, ary tsy mbola mahazo ihany hianareo, ahoana no hahazoanareo
raha hilaza aminareo momba ny zavatra any an-danitra Aho?5
Tsy
naniraka ny Zanany ety an-tany mba hanameloka izao tontolo izao
Andriamanitra; fa mba hahatonga izao tontolo izao ho voavonjy amin'ny
alālany. Na iza na iza mino Azy dia tsy ho helohina, fa izay tsy
mino Azy dia efa mijoro voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny
Zanaka Lahy Tokan'Andriamanitra.6
Izaho
no fitsanganana amin'ny maty sy fiainana. Izay rehetra mino Ahy,
na dia maty eto amin'ity tany ity aza, dia ho velona indray. Homena
azy ireo ny fiainana mandrakizay ary tsy ho faty izy! Impiry impiry
moa no efa nolazaiko taminareo: Raha mino hianareo dia hahita ny
voninahitr'Andriamanitra.7
Ny
nanirahana Ahy dia ny hanatanteraka ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy,
ary hanatanteraka ny asany; ary izany no sitrapon'Andriamanitra:
Mha hahatonga anareo hino marina tokoa ny Mesia izay nirahin'ny
Ray.
Henoy
ity tantara ity: Nisy lehilahy izay nanana zanaka roalahy. Indray
andro hoy ilay zandriny tamin'ny rainy: "Dada a, omeo ahy ny anjara
lovako." Dia nomen'ny rainy azy ny anjarany.
Tsy
ela akory tao aorian'izay, nanangona ny fananany io zanany io, ary
lasa nandeha tany an-tany lavitra tany. Nolanilaniany tany ny fananany
tamin'ny fiainana tsy miraharaha na inona na inona. Rehefa lany
tsy nisy tavela intsony ny volany na ariary aza, dia nisy mosary
nanenika ny tany. Nahantra fadiranovana izy sady tsy nanana namana.
Farany,
nahita asa hikarakara kisoa izy. Tao anatin'ny famoizam-po, efa
handeha hihinana ny akoran-katsaka nomena azy mba hamahanany ny
kisoa iny izy, no tonga saina, ka nieritreritra hoe: "Manana mofo
ho hanina mihoatra lavitra noho ny ampy izao ny mpanompon'ny dadanay
ary manana sisa betsaka aza; nefa izaho ity, sakafon'ny kisoa no
saika hohaniko mba tsy ho faty! Andeha hiverina any amin'ny dadanay
aho, ary izao no holazaiko azy: "Dada a, efa nanota taminao sy ny
lanitra aho. Tsy mendrika ny ho antsoina hoe zanakao intsony aho,
fa fara-faharatsiny ataovy mba ho isan'ny mpanompo karamainao."
Nitsangana
avy eo amin'ny vovoka izy, izany fikasana izany no tao an-tsainy,
ary nanomboka nandeha tamin'ilay lālana lavitra niverina ho any
amin'ny rainy.
Mbola
tery lavitra tery izy no nahita azy ny dadany, ary nangoraka azy,
ka nihazakaza mba hitsena azy sy nanoroka azy amim-pitiavana.
Nanomboka
niteny ilay zanany lahy hoe: "Dada ô, efa nanota tamin'ny lanitra
sy taminao aho, ka tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao intsony."
Kanefa
tsy navelan'ny rainy ho vita akory ny fiaikeny ny fahotany fa nitodika
tany amin'ny mpanompony ilay rainy ka niteny hoe: "Ento aty ny akanjoko
tsara indrindra, ary ampiakanjoy ny zanako. Ataovy eo amin'ny tānany
ny peratro fanaovako tombo-kase, ary ampidiro amin'ny tongony ny
kiraroko tsara indrindra. Ento aty ny zanak'ombintsika matavy indrindra
any an-tsaha, vonoy, ary andeha isika hihinana sy hifaly. Fa efa
maty ity zanako ity fa velona indray; efa very izy fa hita indray
izao." Ora vitsivitsy tao aorian'izay dia nisy fety lehibe nanomboka.
Nony
hariva niverina avy niasa tany an-tsaha ny zokiny; raha nanakaiky
ny trano izy dia nandre hira sy dihy. Nantsoiny ny iray tamin'ireo
mpanompo, ary nanontaniany hoe: "Inona ny dikan'izao korana be izao?"
Namaly
ilay mpanompo hoe: "Niverina nody ny rahalahinao; ary namono ny
zanak'omby matavy indrindra ny dadanareo, satria tafaverina soa
aman-tsara tsy maty fo aman'aina izy."
Raha
nandre izany ilay rahalahiny dia tezitra mafy, ka nandā ny hiditra
ao amin'ilay fety fihinanam-be; nivoaka āry ny rainy, ary niangavy
azy hiditra.
Fa
izao no navaliny: "Jereo anie ireo taona maro nanompoako anao e,
tsy mba nanohitra ny didinao mihitsy aho na iray aza, nefa hianao
tsy mba nanao fety mihitsy mba hifaliako miaraka amin'ny namako.
Izao anefa miverina ity rahalahiko mpirenireny ity, izay tsy isalasalana
fa nandany ny lovany tamin'ny mpivaro-tena, dia novonoinao ny zanak'omby
tsara indrindra mba hankalazana izany."
Hoy
ny rainy: "Ry zanako ô, teto amiko foana anie hianao e, ary fantatrao
fa izay ananako rehetra dia anao. Marina fa manao fankalazana isika,
ary manao fisaorana; satria efa maty ny rahalahinao, fa velona indray,
efa very, nefa hita izao."9
Raha
tsy miova fo hianareo, ka tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra
amin'ny fanjakan'ny lanitra. Tonga ny Zanak'Olona mba hamonjy ireo
izay very: fa tsy sitrapon'ny Rainareo izay any an-danitra, ny hahavery
na dia ny kely indrindra aminareo aza.10
Fa
tena tian'Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahy
tokana, mba tsy ho very na iza na iza mino Azy fa hanana fiainana
mandrakizay. Mino izany ve hianareo?"11
MPIANATRA
SY MPANOMPO
Tsy
afaka manaiky tompo roa hanapaka ny fiainanareo hianareo. Na ho
halanareo ny iray, ary ho tianareo ilay anankiray ; na koa hifikitra
amin'ny iray hianareo, ary hanamavo ilay anankiray . Tsy afaka manompo
an'Andriamanitra hianareo sady mijanona ho andevon'ireo andriamanitr'izao
tontolo izao.1
Iza
aminareo, raha mikasa hanorina tilikambo, no tsy hipetraka aloha
ka hanombatombana ny vidiny, manamarina tsara fa ampy hamitana azy
ny vola? Raha tsy izany dia mety ataonareo ny fototra dia avy eo
tsy maintsy ajanona ilay fikasana. Mety hihomehy anareo ireo izay
nanara-maso ny fandrosoanareo, ary hiteny hoe: "Nanomboka nanorina
izy, kanefa izao bankiropitra."
Tsy
maintsy miara-mipetraka amin'ny mpanolo-tsaina azy momba ny ady
aloha ny mpanjaka iray izay te-hiatrika ady, mba handinika raha
afaka handresy ny herin'ny fahavalo izay telo alina ny miaramilany
iray alina. Raha hitan' ilay mpanolon-tsainy fa tsy afaka handresy
izy, dia tsy maintsy handefa ny ambasadaorony izy hivoaka hitsena
ny fahavalo, ka hiezaka hanao raharaham-pihavanana alohan'ny anombohan'ny
ady ireo.
Noho
izany tsy maintsy mandinika aloha ny amin'izay heverinareo ho fanananareo
hianareo: dia fianakaviana, vola, fananana ety an-tany. Raha tsy
manaiky hanisa ny tombany hianareo, ka hanao fanoloran-tena tanteraka,
na dia amin'ireo zavatra ireo aza, dia tsy afaka tena hanaraka Ahy
marina tokoa hianareo.2
Mamelā
Ahy hampahatsiaro anareo: ny olona izay mazoto amin'ny zavatra kely
dia hatokisana amin'ny zavatra lehibe; ary ny olona tsy marina amin'ny
zavatra kely dia tsy marina koa amin'ny zavatra lehibe. Raha tsy
azo antoka amin'ny harena ety an-tany hianareo, ahoana no hahazoana
matoky anareo amin'ny harena ara-panahy? Ary raha tsy nahatoky tamin'ny
fananana izay an'ny sasany hianareo, iza no hanome anareo fananana
ho anareo manokana?3
Alefako
mivoaka tahaka ny ondry eo anivon'ny amboadia: ka hendre tahaka
ny bibilava hianareo, fa aoka ho morabe tahaka ny voromailala.4
Efa
hitanareo ny fampiharan'ireo mpanjaka sy mpanapaka ety an-tany ny
fahefany, sy fanaparany izany amin'ny mahantra izay eo ambany fiadidiany.
Tsy marina ho anareo izay an'ny fanjakan'Andriamanitra izany. Na
iza na iza aminareo te ho lehibe, dia tsy maintsy ho mpanompon'ny
rehetra aloha. Na Izaho aza, ilay Mesia, tsy tonga ho tompoina,
fa hanompo, ary hanome ny aiko ho avotra ho an'ny maro. Raha fantatrareo
ireo zavatra ireo, dia ho sambatra hianareo raha mankato izany.5
Mahareta
ao amin'ny fahazavan'ny teniko: dia tena ho mpianatro marina tokoa
hianareo amin'izany.
Aza
manao tahakan'ny olona miseho azy ho tia fivavahana, mamorona lalāna
sy didy. Mirehareha amin'ny lalāna nataony izy, nefa tsy manaraka
na ny iray amin'izy ireny akory aza. Mametraka enta-mavesatry ny
fanarahana ny lalāna amin'ny antsipirihany eo amin'ny vozon'ireo
mpanaraka azy izy, kanefa tsy nandalo ao an-tsainy mihitsy ny hanaraka
lalāna toa ireny. Misahirana mafy ery izy mba ho hitan'ny olona,
manao akanjo hafahafa, manao fombafomba be ery amin'ny fitondrany
ny tenany; tiany ny mipetraka eny amin'ny toeran'ny manan-kaja amin'ny
latabatra sy eny amin'ny fitoerana eny aloha. Tiany ny antsoina
hoe hajaina sy mpampianatra manam-pahaizana. Kanefa tsy tokony antsoina
hoe hajaina na mpampianatra hianareo satria tompo iray ihany no
anareo, ary rahalahiny sy anabaviny daholo hianareo rehetra.
Halaviro
ny miantso olona hoe rainareo ara-panahy; satria manana Ray iray
ihany hianareo any an-danitra. Ary aza avela koa hisy olona hiantso
anareo hoe mpampianatra manam-pahaizana; satria iray ihany no mpampianatra,
dia Kristy. Ny iray izay lehibe indrindra aminareo no tsy maintsy
mpanomponareo aloha; ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.6
Rehefa
hiverina amin'ny voninahiny ny Mesia, ka hiaraka Aminy ny anjeliny
masina rehetra, hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny
any an-danitra Izy. Hangonina eo anoloany ny firenena rehetra ary
hosarahany tsirairairay avy ny olona, tahaka ny anavahan'ny mpiandry
ondry ny ondry amin'ny osy. Hapetrany eo an-tānany ankavanana ny
ondry, ary ny osy eo ankaviany.
Avy
eo hiteny amin'ireo izay rehetra eo an-tānany ankavanana ny Mpanjaka
hoe: "Avia ry notahian'ny Raiko; midira amin'ny fandovana ny fanjakana,
izay efa voaomana ho anareo hatramin'ny fanorenana an'izao tontolo
izao. Fa noana Aho dia nomenareo sakafo. Nangetaheta Aho dia nitondra
rano mangatsiaka ho Ahy hianareo hosotroiko. Nivahiny Aho dia nampiantranoinareo.
Tsy nanao akanjo Aho dia nampiakanjonareo. Narary Aho dia nokarakarainareo.
Tany an-tranomaizina Aho dia novangianareo."
Ary
ho talanjona ny marina hamaly hoe: "Tompo ô, oviana no hitanay noana
Ianao ka nomenay sakafo; na nangetaheta ka nomenay zavatra hosotroina?
Ary oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nomenay trano hialofana;
na nila fitafiana ka nampiakanjonay? Mba efa hitanay narary ve Ianao
ka nokarakarainay; na tany an-tranomaizina ka novangianay?"
Ary
hamaly ilay Mpanjaka hoe: "Lazaiko anareo marina tokoa izao, tahaka
ny nanaovanareo ireo zavatra rehetra ireo tamin'ny madinika indrindra
amin'ny rahalahiko sy ny anabaviko dia efa nanao izany tamiko koa
hianareo."
Fa
hiteny amin' ireo izay eo ankaviany ny Mpanjaka hoe: "Mialā Amiko!
Fa noana Aho dia tsy mba nomenareo sakafo. Nangetaheta Aho fa tsy
mba nomenareo zavatra hosotroina. Nivahiny Aho fa noroahinareo.
Nitanjaka Aho, fa tsy mba nomenareo akanjo. Narary Aho nefa tsy
mba nokarakarainareoo. Tany an-tranomaizina Aho nefa tsy mba novangianareo."
Ary
hamaly Azy izy ireo hoe: "Tompo ô! Oviana ianao no hitanay noana,
na nangetaheta, na nivahiny, na nitanjaka, na narary, na tany an-tranomaizina
ka tsy nampahery anao izahay?"
Hamaly
ilay Mpanjaka hoe: "Lazaiko marina tokoa aminareo, isaky ny tsy
nanao ireo zavatra ireo tamin'ny madinika indrindra amin'ny rahalahiko
sy ny anabaviko hianareo dia tsy nanao izany tamiko."
Ary
dia halefa ho any amin'ny maizina mandrakizay izy ireo fa ny marina
kosa hampidirina any amin'ny fitoeran'ny fiainana.7
Miantso
Ahy hoe mpampianatra sy Tompo hianareo, ary marina izany satria
izany tokoa Aho. Raha Izaho aza, Tomponareo sy mpampianatra anareo,
manaiky ho mpanompo ambany indrindra, hianareo koa izany tokony
hanaiky hifanompo. Nanome ohatra anareo Aho; tokony hanao sahala
amin'izay nataoko taminareo hianareo.8
ILAY
FANIRAHANA LEHIBE
Aoka
ireo izay maty ara-panahy hikarakara ny manahirana azy ety an-tany;
fa hianareo mandehana mitory ny fahatongavan'ny fanjakan'Andriamanitra
amin'izao tontolo izao izay miandry izany.1
Misy
vokatra be eo anoloanareo; mampalahelo anefa fa vitsy ny mpiasa.
Mivavaha amin'ny Tompon'ny vokatra mba handefasany mpiasa bebe kokoa
hanangona ny vokany. Tsy misy olona mametraka ny tanany amin'ny
angadin'omby dia miherika indray avy eo ka ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra.˛
Hanao
asa mitovy amin'ny ataoko hianareo izay mino Ahy, ary lehibe lavitra
noho izany aza; satria tsy maintsy miverina any amin'ny Raiko any
an-danitra Aho. Raha maniry ny hanompo Ahy hianareo, araho Aho;
ary izay misy Ahy, ho any koa hianareo izay mpanompoko, ary homen'ny
Raiko voninahitra.3
Mandehana,
ambarao: "Efa tonga aty aminareo ny fanjakan'ny lanitra."
Sitrano
ny marary, avereno amin'ny boka ny fahasalamany; atsangano ny maty;
roahy ny demonia! Tadidio izay nolazaiko taminareo: "Maimaim-poana
no nandraisanareo izao fiainam-baovao izao. Manomeza maimaim-poana!"
4
Raha
tsy miandany Amiko hianareo dia manohitra Ahy; ary izay tsy manangona
miaraka Amiko dia manaparitaka.5
Isaky
ny asaina hiditra amin'ny trano iray hianareo, manonona fitahiana
ary lazao hoe: "Fiadanana ho amin'ity trano ity." Raha momba ny
fiadanana ry zareo ao an-trano dia horaisiny ny fiadanana tononinareo
ary hahazo tombotsoa amin'izany izy. Raha tsy izany dia hiverina
aminareo ny tombotsoa amin'ny fitahiana notononinareo.
Aza
misalasala hanaiky ny fampiantranoin'ny olona, kanefa aoka hanana
tanjona hianareo, ary tohero ny fandehanana mirenireny foana tsy
misy tanjona. Raiso am-pifaliana na inona na inona sakafo na zavatra
aroso ho anareo hosotroina, fa izay miasa dia mendrika ny hahazo
ny karamany. 6
Ireo
izay mandray ny olona irahiko miaraka amin'ity hafatra ity dia mandray
Ahy koa, ary ireo izay mandray Ahy dia mandray ny Raiko izay naniraka
Ahy.7
Aoka
hianareo hampiomanina: misy sasany izay hiezaka hampangina ny feonareo;
izay hitondra anareo any amin'ny fitsarana, ary tsy marina no hitondrany
anareo, hitady ny handefasana anareo any an-tranomaizina aza. Noho
ny hafatro, dia antsoina hijoro vavolombelona eo anatrehan'ireo
izay tsy mino hianareo: dia mpanapaka sy governora ary mpanjaka.
Raha
endrikendrehina sy entina any amin'ny fitsarana hianareo, dia aza
matahotra ny amin'ny tsy fahalalanareo izay teny holazaina. Homena
anareo amin'izany fotoana izany ny teny. Tsy ilaina miankina amin'ny
teninareo fotsiny ihany hianareo fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny
amin'ny alālanareo. Tadidio fa amin'ny fanjakana ety an-tany, tsy
misy mpanompo lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy ry zareo
dia hanenjika anareo koa izy, hosaziany hianareo noho ny Amiko,
ary tsy ho azony an-tsaina iza Ilay naniraka Ahy ho amin'izao tontolo
izao. Kanefa raha manaiky sy manaraka ny hafatro izy, dia hanaiky
sy hanaraka ny anareo koa.8
Raha
tsy tonga miaraka amin'ny hafatry ny fahamarinana Aho, dia tsy nahatsapa
ny tsy fahatanterahany sy ny fitondran-tenany feno ota ny mponin'izao
tontolo izao. Izao anefa izy dia tsy afaka miafina ao ambadik'ilay
tsy fahalalany ny fahamarinana taloha. Raha tsy nanao ireo fahagagana
miezinezina ireo tamin'izy ireo Aho dia tsy ho tonga saina amin'ny
fahadisoany izy. Fa izao ireo izay nandā ny fahamarinana dia nahita
ny fahagagana ka mankahala Ahy sy ny Raiko. Tonga izany mba hahatanteraka
ny faminaniana hoe: "Halany foana Aho."9
Afo
no nahatongavako, ho entina ety an-tany. Tena iriko mihitsy ny hahita
azy io hiredareda! Hianareo angaha nieritreritra fa tonga hitondra
fiadanana sy filaminana ety an-tany Aho? Tsia, lazaiko aminareo,
tonga hitondra fampisarahana Aho: Fa manomboka izao hisy olona dimy
ao anaty trano iray, hisaraka amin'izay tokony hinoany, ny telo
hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo.10
Rehefa
mifanehitra amin'ny fankahalan'izao tontolo izao hianareo dia tadidio
ahoana no nankahalany Ahy talohanareo. Ary rehefa manenjika anareo
amin'ny toerana iray izy dia mifindrā amin'ny toerana manaraka.
Tsy ho tratranareo daholo akory ny tanān-dehibe rehetra eran'izao
tontolo izao alohan'ny hiverenan'ny Mesia. Raha misy tanāna iray
mandā ny handray anareo, na ny hihaino ny hafatrareo dia ahitsano
amin'ny tongotrareo ny vovok'izany tanāna izany rehefa miala ao
hianareo. Minoa Ahy, amin'ny andron'ny fitsarana farany, ho tsaratsara
kokoa ny hanjo ny tanānan'i Sodoma sy Gomora noho izany tanāna izany.11
Raha
nanaraka ny fomba fanaon'izao tontolo izao hianareo, ho tia anareo
izao tontolo izao. Fa satria manaraka ny fomban'ny fanjakana hianareo,
satria niantso anareo ho amin'ny fanjakana Aho dia hataon'izao tontolo
izao tsinontsinona sy hankahalainy hianareo. 12
Na
iza na iza mandre ny teny izay lazainareo dia mandre Ahy; ary ireo
izay manilikilika anareo, satria marina ny teninareo dia manilikilika
Ahy. Raha mandā Ahy izy dia mandā ny Ray izay naniraka Ahy. Zakao
ny fitsikerana ataon'ireo tsy mino sy ny misalasala noho ny amin'ny
anarako. Mijoroa tsara; ho voavonjy hianareo amin'ny fanaovana izany.13
Nolazaiko
anareo ireo teny ireo mba hahitanareo fiadanana ao Amiko sy amin'ny
fanarahana ny teniko. Hahita fahoriana sy korontana hianareo any
amin'izao tontolo izao; fa aoka ho sambatra hianareo satria efa
nandresy izao tontolo izao Aho.14
NY
VAVAKA NATAON'I KRISTY HO AN'NY MPIANANY
Ray
ô, tonga izao ny ora. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hahafahany
mitondra ny voninahitra ho Anao; fa efa nomenao fahefana amin'ny
lehilahy sy ny vehivavy rehetra eto ambonin'ny tany Izy mba hahafahany
manome fiainana mandrakizay ho an'ireo izay nomenao azy.1
Ary
izao no fiainana mandrakizay: ny ahalalany Anao ilay Andriamanitra
tokana marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao. Nanome voninahitra
Anao Aho tety an-tany tamin'ny nanatanterahako ny asa izay nomenao
hataoko. Amin'izao fotoana izao Ray ô, asehoy ny voninahitro raha
mitsangana eo anatrehanao Aho, dia ilay voninahitra nananako niaraka
taminao hatramin'izay talohan'ny fiandohan'izao tontolo izao. Anao
ireo ary nomenao Ahy, ary nanaiky ny tenin'ny fiainana mandrakizay
nomenao izy. Efa fantany izao fa ny zavatra rehetra nomenao Ahy
dia avy Aminao. Nampitaiko taminy amin'ny fomba mahatoky izay nomenao
Ahy; nino Ahy izy ary nanjary fantany tao am-pony fa avy amin'Andriamanitra
Aho, nirahanao ho amin'izy ireo.
Tsy
mivavaka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'ireo izay nomenao
Ahy; satria Anao tokoa izy ireo. Ireo izay rehetra nino Ahy dia
Anao; ary manaja Ahy izy. Hiverina ho any Aminao ho any an-danitra
Aho; fa ireo izay mino Ahy dia mijanona aty aoriana. Ray ô, tehirizo
ireo amin'ny herin'ny anaranao; mba ho iray izy tahaka ny maha iray
Antsika.
Raha
mbola niaraka taminy teto amin'izao tontolo Aho dia notehiriziko
amin'ny hery izay nomenao Ahy izy; nambenako izy ireo ary tsy nisy
very na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana, mba
hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra. Hankany aminao Aho izao; fa
ireto zavatra ireto no angatahiko raha mbola ety ambonin'ny tany
Aho mba hahatsapan'izy ireo sy handraisany ny fanambarana feno ny
amin'izay azy.
Nomeko
azy ireo ny teninao ary halan'izao tontolo izao izy satria tsy zanak'ity
izao tontolo izao maizina sy eo an-dalam-paharavana ity intsony
izy, tahaka ny tsy maha zanany Ahy. Tsy mangataka Aminao ny hanesoranao
azy amin'izao tontolo izao Aho fa ny hitehirizanao azy ireo arovanao
amin'ilay ratsy; fa tsy zanaky ny maizina intsony izy tahaka ny
tsy maha-zanany Ahy. Hamasino amin'ny fahamarinanao ireo; fa ny
teninao no fahamarinana.
Tahaka
ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao, tahak'izany koa no
anirahako azy ho amin'izao tontolo izao. Ary ho an'izy ireo no anokanako
ny tenako mba hahatonga azy ho hamasinina sy hitombo ao amin'ny
fahamarinana. Tsy ho an'ireo ihany no hivavahako fa ho an'ireo mpino
amin'ny ho avy izay ho tonga ka hino Ahy noho ny fijoroana vavolombelona
izay ataony. Aoka izy ireo ho iray fo sy fanahy, tahaka ny maha
iray Ahy sy Hianao: ka tahaka ny maha ato Amiko Anao ary Izaho ao
Aminao, ho ao Amintsika izy; ary ho fantatr'izao tontolo izao fa
Hianao no naniraka Ahy.
Nomeko
azy ny voninahitra izay nomenao Ahy mba ho iray izy ireo tahaka
ny maha iray Antsika: Izaho ao aminy, ary Hianao ato Amiko, tonga
amin'ny fahatanterahana ho iray, mba hahalalan'izao tontolo izao
mihitsy amin'ny alalan'izany fa Hianao no naniraka Ahy sady tia
azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. Enga anie indray andro any ka
hiaraka Amiko any amin'izay misy Ahy izy ireo, hibanjina ny voninahitro
izay nomenao Ahy tamim-pitiavana hatramin'ny nanorenana izao tontolo
izao.
Ry
Rain'ny fahatsarana sy ny fahamarinana ô, tsy nahalala Anao izao
tontolo izao; fa Izaho efa nahalala Anao, ary ireo izay mino Ahy,
mahafantatra izao, fa Hianao no naniraka Ahy. Efa nasehoko azy ireo
Hianao ary hotohizako ihany ny fanehoako Anao amin'izy ireo mba
hitoeran'ny fitiavanao Ahy ao anatin'ny fony ary mba hahatonga Ahy
hipetraka ao koa. Ho tanteraka anie izany.˛
ILAY
FIANTSOANA HO AMIN'NY FIAINAM-BAOVAO
Ilay Fiantsoana
1. Jaona 15:16, 2. Marka 10:18-22, 3. Matio 16:24,25, 4. Matio 22:2-14;
Marka 1:15; Jaona 15:19, 5. Jaona 6:44,37, 6. Jaona 1:50, 7. Matio
7:13,14; Lioka 13:24
Ny Amin'ny
Fahaterahana Fanindroany Indray 1. Jaona 3:7, 2. Jaona 3:3,5, 3.
Jaona 3:6,8, 4. Matio 9:16,17, 5. Jaona 3:10,12, 6. Jaona 3:17,18,
7. Jaona 11:25,26,40, 8. Jaona 4:34; 6:29, 9. Lioka 15:11-32, 10.
Matio 18:3,11,14, 11. Jaona 3:16; 11:26
Mpianatra
sy Mpanompo 1. Matio 6:24, 2. Lioka 14:28-33, 3. Lioka 16:10-12,
4. Matio 10:16, 5. Marka 10:42-45; Jaona 13:17, 6. Jaona 8:31; Matio
23:2-12, 7. Matio 25:31-46, 8. Jaona 13:13-15
Ilay Fanirahana
Lehibe 1. Lioka 9:60, 2. Lioka 10:2; 9:62, 3. Jaona 14:12; 12:26,
4. Matio 10:7,8, 5. Matio 12:30, 6. Lioka 10:5-7, 7. Jaona 13:20,
8. Matio 10:17-20; Jaona 15:20,21, 9. Jaona 22:25; Salamo 35:19,
10. Lioka 12:49-53; Matio 10:21, 11. Matio 10:23,14,15; Jaona 15:18,
12. Jaona 15:19, 13. Lioka 10:16; Matio 10:22, 14. Jaona 16:33
Ny Vavaka
Nataon'i Kristy ho an'ny Mpianany 1,2. Jaona 17:1-26